14/06/2026
☀️ TOROHEVITRA HO AN’NY FAMETRAHANA PANNEAU SOLAIRE MAHARITRA SY MAHOMBY ☀️
Ny kalitaon’ny fametrahana panneau solaire dia misy fiantraikany mivantana amin’ny rendement sy ny faharetan’ny système solaire.
✅ Ataovy tsara ny inclinaison
Ny panneau solaire dia tsara raha apetraka amin’ny inclinaison manodidina ny 15- 35 degré mba hahazoana taratra masoandro betsaka kokoa mandritra ny andro.
✅ Aza apetaka mivantana amin’ny toiture
Asio elanelana kely eo anelanelan’ny panneau sy ny tafo mba hahafahan’ny rivotra mivezivezy tsara. Manampy amin’ny fampihenana ny hafanana izany, ka mampitombo ny rendement sy ny androm-piainan’ny panneau.
✅ Misafidiana panneau Monocristallin
Ny panneau Monocristallin dia:
✔️ Manana rendement ambony kokoa
✔️ Mahavita mamokatra herinaratra tsara na dia tsy dia be aza ny tara-masoandro
✔️ Maharitra ela kokoa
✔️ Mety tsara amin’ny toetr’andro eto Madagasikara
💡 Tsarovy fa tsy ny puissance ihany no zava-dehibe, fa ny kalitaon’ny panneau sy ny fomba fametrahana azy ihany koa no mamaritra ny vokatra azonao isan’andro.
📞 Voltaris Solar
📱 038 73 447 60
☀️🔋