10/08/2026
🇲🇬💉💉💉 Volana Aogositra | Volana natokana ho an'ny fanentanana momba ny vaksiny 💉💉💉
Amin'ity volana Aogositra ity, manasongadina ny maha-zava-dehibe ny vaksiny ho an'ny fahasalaman'ny biby fiompy, ny olombelona ary ny bibidia izahay. 🌿🐾
Mahaliana Labs, miaraka amin'ny Mad Dog Initiative, ny Madagascar Fauna Group (MFG), ary ny Madagascar National Parks (MNP), dia hanao hetsika fanaovana vaksiny hiadiana amin'ny haromontana ho an'ny alika sy saka any amin'ireo tanàna manodidina ny tahirin-javaboarin'i Betampona (Betampona Natural Reserve).
💉Izany fanaovana vaksiny izany dia hatao mba hananampy amin'ny fiarovana ny fiarahamonina, ny biby fiompy sy bibidia amin'ny haromontana—aretina mahafaty saingy azo sorohina tsara anefa. 🐕🐈
🌍 Fampiharana ny foto-kevitra "One Health" (Fahasalamana Iray): fiarovana ny fahasalaman'ny biby, ny olombelona ary ny natiora miaraka.
🇺🇸💉💉💉 Vaccination Awareness Month | August 💉💉💉
This August, we are highlighting the importance of vaccination for animal, human, and wildlife health. 🌿🐾
Mahaliana Labs, in collaboration with the Mad Dog Initiative, Madagascar Fauna Group (MFG), and Madagascar National Parks (MNP), will conduct a rabies vaccination campaign for dogs and cats in villages surrounding Betampona Natural Reserve.
💉This vaccination campaign will help protect families, communities, domestic and wild animals from rabies—a deadly but preventable disease. 🐕🐈
🌍 One Health in action: protecting animals, people, and nature together.