18/01/2025
Fantaro ny lalàna momba ny heloka anabaka na cybercriminalité
Loi n° 2014-006 du 17 juillet 2014
sur la lutte contre la cybercriminalité
Andininy voalohany. - Ny teny hoe heloka anabaka (cybercriminalité) dia manondro izay fihetsika tsy ara-dalàna rehetra atao amin'ny alalan'ny rafitra na tambajotra informatika, na tambajotra ara-batana mifandray amin'izany, na misy ifandraisany amin'ny rafitra fampahalalam-baovao.
And. 6.- Izay rehetra miditra na mijanona amin'ny rafitra fampahalalam-baovao, na amin'ny ampahany na manontolo, amin'ny fomba tsy ara-dalàna araka ny voalazan'ny andininy faha-3 sy faha-4 etsy ambony, dia hosaziana onitra 100.000 Ariary ka hatramin'ny 10.000.000 Ariary.
Raha ny fidirana na ny fijanonana tsy ara-dalàna ao anatin'ny rafitra fampahalalam-baovao, na amin'ny ampahany na manontolo, dia miteraka fahasimbana, fanafoanana, fahapotehana, fanovana, na fanajanonana ny angon-drakitra ao anatiny, na koa manakana na manova ny asan'ilay rafitra, dia ho voasazy fanagadrana enim-bolana ka hatramin'ny dimy taona sy onitra 100.000 Ariary ka hatramin'ny 10.000.000 Ariary, na ny iray amin'ireo sazy ireo.
And. 7.- Izay rehetra, amin'ny fomba tsy ara-dalàna, mampiditra, manimba, mamafa, manova, manimba endrika, na manala angon-drakitra informatika, na manao fihetsika tsy ara-dalàna mba hanovana na hanafoanana ny fomba fanodinana na fandefasana azy, dia ho voasazy fanagadrana roa taona ka hatramin'ny folo taona sy onitra 2.000.000 Ariary ka hatramin'ny 100.000.000 Ariary, na ny iray amin'ireo sazy ireo.
And. 8.- Izay rehetra, amin'ny fomba tsy ara-dalàna, mampiasa angon-drakitra informatika simba, voafafa, potika, novaina, na niova endrika, dia ho voasazy fanagadrana roa taona ka hatramin'ny dimy taona sy onitra 2.000.000 Ariary ka hatramin'ny 100.000.000 Ariary, na ny iray amin'ireo sazy ireo.
And. 9.- Izay rehetra, amin'ny fomba tsy ara-dalàna, mampiditra, manova, mamafa, na manala angon-drakitra informatika ka miteraka angona sandoka, amin'ny fikasana hampiasana azy amin'ny raharaha ara-dalàna toy ny hoe tena marina izy, na azo vakiana mivantana na tsia, dia ho voasazy fanagadrana roa taona ka hatramin'ny folo taona sy onitra 2.000.000 Ariary ka hatramin'ny 100.000.000 Ariary, na ny iray amin'ireo sazy ireo.
Hitanao ato ny andininy rehetra :
https://arozaza.mg/ressource-type/loi-sur-la-cybercriminalite/