Vondron'ny Mpanabe Mijoro- Vmm/men - Pejy Nationaly

Vondron'ny Mpanabe Mijoro- Vmm/men - Pejy Nationaly Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vondron'ny Mpanabe Mijoro- Vmm/men - Pejy Nationaly, Commercial & Industrial, Men Anosy, Antananarivo.

TETIANDROM-PAMPIANARANA HO AN’NY TAONA 2026-2027
05/06/2026

TETIANDROM-PAMPIANARANA HO AN’NY TAONA 2026-2027

CONFERENCE DE PRESSE MINISTRE-DIRCAB-DRH-STAFF MEN05/06/26-Anosy1-AMI CHEF CISCO:hisy comité hajoro(Bianco,Primature,Pré...
05/06/2026

CONFERENCE DE PRESSE MINISTRE-DIRCAB-DRH-STAFF MEN
05/06/26-Anosy
1-AMI CHEF CISCO:hisy comité hajoro(Bianco,Primature,Présidence,MEN...),tsy abrogation chef Cisco ilay AMI fa fanomanana fanoloana Ireo manana olana.(Ministre)
2-19/06/26:Fizarana Contrat CRINFP 2021-2023 Mahamasina(DRH)
3-2eme AMI ENS:hivoaka alohan'ny 26/06/26(DRH)
4-Dren 11 no efa nandefasana liste hanomanana Ampahibemaso ka Iny no handraisana fanamarihana hanitsiana Rehefa Tonga ny Ampahibemaso(DRH)
5-TALIM:Atomboka @ Septembre (DRH)
6-Integration:Izay nahavita 6taona contractuel dia afaka Manao dossier Izay miisa 48000 eo ho eo izy Ireo.(DRH)
7-Reclassement :Nifarana t@ 30/03/26 fa andrasana ny liste hivoaka(DRH)
8-Distinction Honorifique:amanjatony no Nanao fangatahana ka andrasana ny hivoahan'iny lisitra ofisialy sisa.(DRH)
9-Vacation:Efa mamarana Ireo Mbola tsy nahazo n'y tomponandraikitra(DEXAMC?!?)
10-AMI 2023:Proximité :6000+3000=9000 miandry délibération
Formation Initiale(centre 2ans):Consped,EP,EC...:Mandalo concours Hidirana centre dia vitæ formation dia voaray ho mpiasam-panjakana .
AMI 2026:PROXIMITE 8000:Recrutement Septembre (TALIM???)
FADEP 6300:(DGINFP par intérim)
Eo andalana famitana Ireo sélection
11-Caisse École:Ho voaray alohan'ny hidiran'ny mpianatra(DGP)
12-AMPAHIBEMASO:6/CISCO(mitovy io),n'y trop âgées Kosa dia 45-53an s nahavita 18ans de service ivelan'io.
13-Indemnite de Logement sy Indemnité de Craie:Hisitrahana amin'ny volana Jolay(Ministre)
N.b:Adidy aloha vao Tombontsoa:ny examen dia adidintsika no mampandeha Azy.

FIHAONANA SYNDICAT-STAFF MEN-MINISTRE MEN(Dikan-teny nifandrimbonana)Ry Namana Mpiara-mitolona hajaina, Ry Mpikambana ma...
05/06/2026

FIHAONANA SYNDICAT-STAFF MEN-MINISTRE MEN
(Dikan-teny nifandrimbonana)

Ry Namana Mpiara-mitolona hajaina, Ry Mpikambana malala,

Atolotro anareo androany ny tatitra momba ny fivoriana stratejika natao ny Alakamisy 4 Jona 2026 niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nentinay tamim-pahasahiana sy hentitra ny feonareo. Ireto avy ny fanapahan-kevitra noraisina, ny fandrosoana azo tsapain-tanana, ary ireo teboka mila fitandremana manokana izay tsy tokony hampihenantsika ny fanaraha-maso sy ny fitakiana.

1. Fandrosoana momba ireo fitakiana ara-bola (Tambinkarama sy Fanampiana)

Tambinkaram-pitaovana (Craie) sy Tambinkaram-ponenana

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy Ramatoa Minisitra fa ny tambinkaram-pitaovana sy ny tambinkaram-ponenana nampanantenaina dia ho tafiditra ary handoa manomboka amin’ny karama volana Jolay 2026. Fandresena voalohany azo avy amin’ny hetsika sy ny firaisankinantsika izany, ary harahintsika akaiky mba tsy hisy fihemorana na fanemorana.

Fanampiana ONEP (Mpampianatra tompon’andraikitra amin’ny taranja miaraka amin’ny AE)

Nanamafy ny solontenan’ny ONEP fa mbola tazonina ny fanampiana 50.000 Ariary isaky ny mpampianatra.

Trosa tsy voaloa 2024–2025

Haloa manontolo mandritra ity volana Jona 2026 ity ireo trosa tsy voaloa.

Fandoavana taona 2025–2026

Efa voalahatra hatramin’izao ny fandoavana azy ireo amin’ny faran’ny volana Desambra 2026.

2. Raharahan’ny Mpampianatra Tsy Mpanjakana (ENF) sy ny Fandraisana Mpiasa

Lehibe ny asa miandry satria mahatratra 118.000 ny ENF voasoratra ao amin’ny Minisitera, ka mitaky fepetra atao tsikelikely izany.

Fampidirana ho mpiasam-panjakana amin’ny 2026

ENF miisa 48.000 no voalaza fa azo ampidirina amin’ny taona 2026. Hatao tsikelikely isam-bolana ny fikarakarana azy ireo, ary hajaina tanteraka ny mason-tsivana momba ny faharetan’ny asa (ancienneté).

Tetikasa TALIM sy Famatsiam-bola

Noho ny fifanarahana famatsiam-bola tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola, toerana 9.000 no voaaro ho an’ny tetikasa TALIM. Ny DGINFP no hanao ny fifantenana araka ny antontan-taratasy, ary voafaritra ho amin’ny Septambra 2026 ny fanatanterahana izany.

Fizarana ny fifanarahana (Contrats)

Nambaran’ny Tale misahana ny Fitantanana ny Mpiasa (DRH) fa eo am-panomanana fanamarihana ofisialy momba ny fizarana ny fifanarahana ho an’ny CRFRP (promotion 21-23) ny Minisitera.

Fampitandremana manokana ho an’ny CAPEN

Ho an’ireo tompon’ny CAPEN izay noraisina ho mpiasa amin’ny alalan’ny fifanarahana (contractuels), hisy fandraisana manokana amin’ny alalan’ny fanendrena araka ny mari-pahaizana mandritra ny taona 2026. Ry namana voakasika, fotoana sarobidy tsy tokony ho very io. Mifandraisa amin’ny sendika mba hanaraha-maso ny antontan-taratasinareo.

3. Fitandremana amin’ny Fitantanana ny Mpiasa : AMI, Fanasokajiana ary Loza mety hitranga amin’ny Kolikoly

Fifantenana AMI (Mpivoaka ENS)

Mbola mitohy ny fifantenana ho an’ny AMI andiany faharoa. Miantso fitandremana ambony indrindra ny sendika satria nambaran’ny DRH mihitsy fa tsy azo idirana amin’izao fotoana izao ny rindranasa informatika ampiasaina ary mandeha ho azy ny rafitra.

Ny tsy fahafahana miditra amin’ny rafitra dia mety hampitombo ny loza ateraky ny kolikoly. Efa misy ny fanamarinana ataon’olombelona amin’ny fomba hentitra, ary mampahatsiahy ny Minisitera fa misy laharana maitso (Numéro Vert) misokatra ho an’ny fitarainana rehetra. Koa aza misalasala mampandre anay raha misy tsy fanarahan-dalàna hitanareo.

Fanasokajiana sy fanitsiana sata

Eo am-panomanana didim-panjakana iarahana amin’ny FOP sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fanatanterahana fanasokajiana vaovao miisa 4.400 kasaina hatao amin’ny taona 2027, raha vantany vao voaray ny lisitra ofisialy.

4. Hetsika “Ampahibemaso” (Fanadiovana ny Lisitry ny ENF)

Nahemotra ny famoahana ny lisitra. Antony : nahitana tsy fitoviana goavana teo amin’ny lisitra avy amin’ny DREN/CISCO sy ny lisitra voatahiry ao amin’ny DRH Foibe.

Fampitahana ny antontan-kevitra

Hisy ny fampitahana sy fampirindrana ny angon-drakitra ho an’ny DREN andrana miisa 11.

Tetiandro

Hiankina amin’ny fahafahan’ny DREN tsirairay ny fandaharam-potoana.

Fitsipika fototra

Haseho ampahibemaso mandritra ny 10 andro ny lisitra. Hanana 10 andro ihany koa ianareo hanitsiana na hanovàna izay tsy mety, saingy tsy maintsy aseho ny antontan-taratasy manamarina izany. Miomàna dieny izao.

5. Lafin’ny Fampiofanana (DGINFP)

Fampiofanana AMI (21-23)

Tsiahivina fa olona 6.300 no hisitraka ny FADEP (Fampiofanana Lavitra), ary olona 8.000 kosa no hisitraka ny fampiofanana akaiky toerana (formation de proximité).

Tetikasa Fampiofanana Isam-paritra

Ireo mpampianatra tsy mpiasam-panjakana mbola tsy nahazo fiofanana mihitsy no laharam-pahamehana amin’ity tetikasa ity. Hanomboka amin’ny DREN andrana miisa 6 izy io alohan’ny hanitarana azy manerana ny firenena.

Nohamafisin’ny DGINFP fa harahina akaiky ny kalitaon’ireo mpanofana.

6. Fanadinana, Karama Fanampiny ary Vesatry ny Ray Aman-dReny (DEXAMC)

Fahataran’ny fandoavana ny vacations

Voasakana na tara ny fandoavana ny vacations noho ny fanambarana diso ataon’ny foibem-panadinana sasany, izay miteraka fandavana ara-pitantanana miverimberina.

Misy fanapahan-kevitra vaovao eo am-panomanana izay hanambatra ny didy nivoaka tamin’ny taona 2018 sy 2025 mba hanamorana ny rafitra.

Fikarakarana ny CEPE

Natao akaiky ifotony ny fanontana sy ny famonosana ny taratasy fanadinana, ary hisy fepetra henjana momba ny fiarovana mba hisorohana ny fivoahan’ny laza adina.

Saran’ny fanadinana

Na mbola manan-kery aza ny fanamarihana nivoaka tamin’ny Janoary 2024 izay manamafy fa “0 Ariary” ny CEPE, dia mampalahelo ny sendika fa mbola ny fianakaviana ihany no miantoka ny fividianana kahie (50 pejy ho an’ny CEPE ary 100 pejy ho an’ny BEPC).

7. Mari-boninahitra

Mandeha ny fanonerana ireo raharaha niandry hatry ny ela.

Nisy fivoriana manokana natao handinihana antontan-taratasy manodidina ny 3.000, izay niandry hatramin’ny faran’ny volana Febroary 2026, indrindra ho an’ny Lycée LMA sy LJJR.

8. Vinavina ho amin’ny Hoavy : Dinika Nasionaly

Eo am-panomanana ny Dinika Nasionaly momba ny Fanabeazana iarahana amin’ny MESUPRES sy ny METFP.

Ho fantatra tsy ho ela ny daty marina hanatanterahana izany.

Handray anjara amin’izany ny sendika mba hitondra sy hiaro ireo fitakiana fototra ary hanavaozana ny satan’ny mpampianatra.

Famaranan’ny Filoha

Ry Namana Mpiara-mitolona,

Tsikaritsika fa misy ny fanoloran-tena voasoratra sy ny tetiandro mazava (Jolay ho an’ny tambinkaram-bola ary Jona ho an’ny trosa tsy voaloa). Vokatry ny firaisankinantsika izany.

Na izany aza, aoka isika hijanona ho mailo sy hifantoka hatrany, indrindra momba ny famoahana ny lisitra “Ampahibemaso” sy ny fahazoana ny fifanarahana.

Ny fitokisana dia tsy manakana ny fanaraha-maso.

Mitohy ny tolona!

📸Tolona 2025

🙏Tonga ilay nandrasana hoan'izay vôkasika➡️ Filazana mahakasika ny fizarana ny fifanarahana arak'asa hoan'ireo nahavita ...
05/06/2026

🙏Tonga ilay nandrasana hoan'izay vôkasika
➡️ Filazana mahakasika ny fizarana ny fifanarahana arak'asa hoan'ireo nahavita fiofanana teo amin'ny CRFRP

FIHAONANA SY DINIKA NIARAHANA TAMIN’IREO SENDIKA ETO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA.✳️✳️Nihaona sy nitafa ...
04/06/2026

FIHAONANA SY DINIKA NIARAHANA TAMIN’IREO SENDIKA ETO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA.
✳️✳️Nihaona sy nitafa mivantana tamin'ireo sendika eto anivon'ny Minisitera ny delegasiona notarihin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena RAJAONARISON Sendra Nirina ny alakamisy 04 jona 2026.
▶️ Lohahevitra maro no novelabelarin'ny Minisitra sy ireo Tale isan-tsokajiny ka isan'izany ny tambin-karama nandritra ny fanadinam-panjakana na "vacation"; ny fiantoham-panampiana na "subvention"; ny ampahibemaso; ny "intégration"; ny "reclassement"; ny fandraisana ho mpiasam-panjakana; ny fiofanana ampitain-davitra (FADEP) sy ny fiofanana "Formation de proximité" . Voaresaka ihany koa ny "indemnité de logement"; ny "indemnité de craie" izay hositrahana amin'ny volana jolay 2026.
▶️ Nihaino ny namaly ny fanontanian’ireo sendika ihany koa ny Minisitra sy ireo Tale isan-tsokajiny ; ary nanentana an'ireo sendika hitondra ny anjara birikiny amin'ny fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana izay hotanterahina ato ho ato hanavaozana ny rafi-pampianarana eto Madagasikara.
▶️Nanamafy ny Minisitra fa manao ny ezaka amin'ny fikatsahana ny tombontsoan'ny mpampianatra sy ho fanatsarana hatrany ny kalitaon'ny fanabeazana ary misokatra amin’ireo rehetra mitondra hevitra hanatsarana ny asa.
▶️ Nampahatsiahy koa Ramatoa Minisitra ny amin’ny tokony hanamarinana hatrany ny vaovao voaray indrindra eny amin’ny tambazotran-tserasera, noho ireo kaonty hosoka izay tsy mitsaha-mitombo.

UCOM MEN/Jona 2026

🙏Nahazo DREN ny faritry Boeny
03/06/2026

🙏Nahazo DREN ny faritry Boeny

31/05/2026

🧑‍🍼Miarahaba ny reny rehetra amin'izao fetin'ny reny izao,mirary ny soa hoanareo hatrany🧑‍🍼🧑‍🍼

🟥🟥 FANDAHARANA MANOKANA 🟥🟥Fandaharana manokana iarahana amin'ny Kôlônely 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲𝗹, filohan'ny Fanavaozana n...
29/05/2026

🟥🟥 FANDAHARANA MANOKANA 🟥🟥
Fandaharana manokana iarahana amin'ny Kôlônely 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲𝗹, filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny Alahady 31 Mey 2026 izao manomboka amin'ny 8 ora Alina.
Harahinao eo amin'ny TVM 📺 sy RNM 📻 ary ireo haino aman-jery tsy miankina
hafa.

23/05/2026

⛔Aza faly ny hanenjika ny hafa
⛔Aza mandainga
✅inona mo no mba nataonareo hoan'ny ady hoan'ny tombotsoan'ny mpanabe?
➡️Moa tsy nameno ny kibonareo no nataonareo teo!
🙏Mila mitandrina isika mpanabe fa sao ireto olona ireto no hanakorotana dia ny hafa no ataony fa mpanao izany
💪Manohana ary mijoro hatrany isika hoan'ny filaminan'ny MEN mba ho fanatanterahina ireo tombotsoan'ny fanabeazana sy mpanabe rehetra
'ny_vaovao_record_TV
📸partageo

20/05/2026

🙏Fanazavana fanampiny mikasika ny "Appel à Manifestation d’Intérêt" (AMI) Chef CISCO.
📸Video teo Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy

Address

Men Anosy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vondron'ny Mpanabe Mijoro- Vmm/men - Pejy Nationaly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share