07/06/2025
Fanombohana Ofisialy Gaz'Anosy Bio! 🌱💡
Faly izahay mampahafantatra anareo ny fanombohan’ny tetikasanay famokarana biogaz eto Taolagnaro! 🎉
Tonga soa aman-tsara ny fitaovana voalohany, manomboka ny fananganana, ary ho atomboka tsy ho ela ny andrana voalohany. Dingana lehibe ho amin’ny ho avy madio sy maharitra 🌍.
Mazava ny tanjonay:
💚 Manova fako organika ho angovo madio
🔥 Mampihena ny ala may sy ny doro tanety
👨👩👧👦 Manome vahaolana ara-pahasalamana sy mora azon’ny rehetra ampiasaina amin’ny fandrahoan-tsakafo
📣 Mitady mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika, mpiara-miasa, ary ny olon-drehetra vonona hiara-hiasa amin’ity tetikasa maitso ity izahay.
➡️ Mpianatra ve ianao, matihanina, sa olona liana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana?
➡️ Manana fahaiza-manao, hevitra, na herijika tianao iarahana mizara aminay ve?
Ndao ary hanatevin-daharana ato aminay!
📌 Andao ampahafantarina sy ampiharina eto an-toerana ny biogaz ho vahaolana maharitra, mahomby ary mora vidy.
📩 Mifandraisa aminay amin’ny hafatra manokana na amin’ny email: [[email protected]]
🔁 Aza misalasala mizara ity hafatra ity mba hanitarana ny tetikasa!
🌱 Lancement officiel de Gaz'Anosy Bio ! 💡
Nous sommes heureux de vous annoncer le début de notre projet de production de biogaz à Taolanaro ! 🎉
Les premiers équipements sont arrivés, les installations commencent, et l'expérience sera lancée très prochainement. Une étape importante vers un avenir plus propre et durable 🌍.
Notre objectif est clair :
💚 Transformer les déchets organiques en énergie propre
🔥 Réduire la déforestation et les feux de brousse
👨👩👧👦 Offrir aux familles une alternative saine et accessible pour cuisiner
📣 Nous recherchons des volontaires motivés, des collaborateurs engagés et toutes les personnes prêtes à contribuer à cette belle aventure écologique et sociale.
➡️ Vous êtes étudiant·e, professionnel·le, ou simplement passionné·e par l’environnement ?
➡️ Vous avez des compétences, des idées ou simplement de l’énergie à partager ?
Rejoignez-nous !
📌 Ensemble, faisons connaître et adopter le biogaz comme solution locale, durable et économique.
📩 Contactez-nous en message privé ou par email : [[email protected]]
🔁 N'hésitez pas à partager ce message pour nous aider à faire grandir cette initiative !