Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Ihorombe

Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Ihorombe Ho amin'ny fahavita-tena ara-tsakafo

MiASA/FIDA/DEFIS : HANANTANTERAKA TETIKASA FANARENANA SY FANATSARANA TOHADRANONotanterahina omaly (17/06/26) tao amin’ny...
18/06/2026

MiASA/FIDA/DEFIS : HANANTANTERAKA TETIKASA FANARENANA SY FANATSARANA TOHADRANO

Notanterahina omaly (17/06/26) tao amin’ny kaominina Ranotsara Avaratra, Distrikan’Iakora, Faritra Ihorombe, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanadihadiana ara-teknika mikasika ny fanarenana sy fanatsarana ny lemaka voatondraka Mandabe, izay tanterahan’ny UNOPS, amin’ny alalan’ny BE ASA TARATRA. Ankoatr’ireo solontenan’ny GR/DRASA, sy ny teknisianan’ny TTMR, dia tonga nanatrika izany ihany koa ireo manampahefana isan-tsokajiny, toy ny Ben’ny Tanàna, ny TTMK, ireo Sefo fokontany, sy ireo tantsaha mpamokatra mpahazo tombotsoa…

Tsara ny manamarika fa ny FIDA, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa DEFIS, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), no mamatsy ara-bola azy ity. Mbola izy ihany koa no hamatsy ara-bola ny fanatanterahana ny asa fanatsarana ny tohadrano rehetra, aorian’ity fanadihadiana ity.

Miantefa mivantana amin’ireo tantsaha mpamokatra miisa 675, izay mivondrona ao amin’ny AUE TSARAVATSY ity, ao anatin’ny fokontany dimy (05) : Ranotsara, Soamandroso, Mandabe, Bekatra ary Matsinjo. 400Ha mahery eo ny velaran-tany ho tondrahana, aorian’ny fahavitan’ny asa fanarenana sy fanatsarana.

Nandritra ny fidinanana ifotony natao dia hita taratra ny fahasimbana goavana amin’ny fotodrafitrasa misy eny an-toerana. Ka ny tanjona amin’ity tetikasa ity, ny hiantohana ny famatsian-drano tsara kokoa ho an’ireo faritra tondrahana. Haharitra dimy (05) volana ny fe-potoana tombanana hanatanterahana ny fanadihadiana ara-teknika, mba hahafahana manangana fotodrafitrasa mateza sy maharitra, mifototra amin’ny fanadihadiana ara-teknika matotra sy marina.

Nandritra ny fivoriana dia nanamafy ny Ben’ny Tanàna sy ireo mpahazo tombotsoa fa
- handray anjara sy hiara-hiasa tanteraka amin’ny Bureau d’Etudes izy ireo.
- hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpisehatra rehetra mandritra ny fotoana anaovana ny asa.
- hatao ny fampandrenesana sy fampahafantarana ireo mpikambana ao amin’ny AUE, mba handray anjara mavitrika amin’ny fizotran’ny asa.
- harovana sy harahi-maso akaiky ny fandrosoan’ny asa, mba hiantohana ny kalitaony

MiASA/FIDA/DEFIS: MANATANTERAKA ATRIKASA FAMPIOFANANA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA MISAHANA NY FIKOJAKOJANA NY TOHADRANONotan...
09/06/2026

MiASA/FIDA/DEFIS: MANATANTERAKA ATRIKASA FAMPIOFANANA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA MISAHANA NY FIKOJAKOJANA NY TOHADRANO

Notanterahina eto Ihosy, renivohitry ny Faritra Ihorombe, ao amin’ny Hôtel TAMANA, mandritra ny roa andro (09 -10 Jiona 2026) ny atrikasa fanamafisana ny fahaizamaon’ireo birao mandrafitra ny fikambanana mpampiasa rano (AUE), mba hahaizan’izy ireo hitantanana sy hikojakoja ireo lemaka voatondraka, ary mba hampaharitra izany. Ny mpampiofana dia ny avy ao amin’ny CF HIMO, fiarahamiasa amin’ny OIT, izay vatsian’ny FIDA vola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS, izay eo ambany fiahian’ny MIASA.

Marihana fa ny FIDA avokoa no namatsy ara-bola, ireo asa fanatsarana tohadrano ireo (HIMO), ka ireo birao mpitantana ny AUE avy amin’ireo kaominina maro, no tonga nanatrika ity atrikasa ity. Miisa 46 izy ireo, ka ankoatr’ireo filohan’ny AUE, ireo polisin-drano dia nanatrika izany ihany koa, ireo CGEAF hoan’ny kaominina voakasik’ity. Samy tonga nandefa ny solon-tenany tao avokoa ireto kaominina ireto (avy amin’ny lemaka voatondraka miisa 11) : Ilakakabe, Andiolava, Ambatolahy, Zazafotsy, Sahambano, Ranotsara ary Ivohibe.

Tanjona amin’izany dia ny hampaharetana ireo fotodrafitrasa izay vita, amin’ny alalan’ny fahaiza-mitantana sy ny fikojakojana, izay voafaritra mazava tsara : mialoha, mandritra sy aorian’ny fotoana ny orana, ary amin’ny fotoana main’andro.
Ireto avy ireo lohahevitra hampitaina mandritra ny fiofanana :
- Fomba fiasa asatanamaro manara-drafitra
- Fomba fitantanana ny AUE
- Ny anjara andraikitry ny filohan’ny AUE sy ny polisin-drano
- Ny asa fikojakojana eny amin’ny tamba-jotra…

Aorian’ity fiofanana ity, dia izy ireo indray no hampita izany amin’ireo mpikambana rehetra amin’ny AUE, hanao andrimaso akaiky ireo tamba-jotra mba hampahomby ny fitantanan-drano, hampaharitra ny foto-drafitrasa ary indrindra fa ny fampitomboana ny vokatra, mba hisian’ny fahaleovantena ara-tsakafo. Ho faranana amin’ny fizarana fanamarinam-piofanana « Certificat » hoan’ireo mpandray anjara rehetra ny atrik’asa amin’io rahampitso io.

APPEL A CANDIDATURE"DEFIS CIR Fianarantsoa/CCI Ihorombe : procède au recrutement d’un(e) Assistant(e) de l’Animateur Com...
04/06/2026

APPEL A CANDIDATURE

"DEFIS CIR Fianarantsoa/CCI Ihorombe : procède au recrutement d’un(e) Assistant(e) de l’Animateur Commercial"

MiASA/FIDA/DEFIS : MANDRAY ANJARA AMIN’NY FEPANy fandaharanasa DEFIS, izay vatsian’ny FIDA vola, eo ambany fiahian’ny Mi...
29/05/2026

MiASA/FIDA/DEFIS : MANDRAY ANJARA AMIN’NY FEPA

Ny fandaharanasa DEFIS, izay vatsian’ny FIDA vola, eo ambany fiahian’ny MiASA, dia mandray anjara amin’ny FEPA (Foire de l’Elevage et de la Production Animale) andihany faha 18, aty amin’ny MPE Nanisana, Antananarivo. Natomboka omaly izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Alahady 31 May 2026.

Mandritra ity hetsika ity dia manamafy hatrany ny anjara toerany ny fandaharanasa DEFIS, amin’ny fanandratana ny sehatry fambolena sy fiompiana, ny fanohanana ary ny fampifandraisana ireo mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra.

Hitanao eny amin’ny tranoheva faha 75-76-77-78-79-80 ireo vokatry (tsara kalitao) ny asa sy ny fahaiza-manaon'ireo mpamokatra matihanina tohanan'ny MiASA sy ny FIDA amin’ny alàlan'ny DEFIS. Ho an'ny Faritra Ihorombe dia ireto ny fikambanana nandray anjara:
- OPR FIMPAVA : masomboly Mangafototra : 150 kg × 5 000 Ar/kg, fotsim-bary : 250 kg × 4 000 Ar/kg, masomboly tsako (SQD IRAT 200) : 150 kg × 3 000 Ar/kg
- OP TSARAVITANA : voanjo Fleur 11 : 150 kg × 3 500 Ar/kg, voanjo mena : 150 kg × 3 500 Ar/kg, Masomboly tsako (SQD IRAT 200): 150 kg × 3 000 Ar/kg
- OPR FIMPAO : masomboly tongolo (graine) : 20 kg × 180 000 Ar/kg, tongolobe : 300 kg × 5 000 Ar/kg

Ankoatra ny Faritra Ihorombe dia fikambanana tantsaha sy koperativa maro, avy amin’ny Faritra Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony no noraisin’ny DEFIS CIR Fianarantsoa an-tanana ka nitondra ireo vokatra tsara kalitao. Ankoatr’ireo varotra sy fampiratiana dia tanjona amin’ny fampandraisana anjara ireo tantsaha mpamokatra ihany koa ny fitadiavana lalam-barotra tsara sy maharitra amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana.

Ianareo no sisa andrasana e ! Ka tongava mitsidika ny tranohevanay!

24/05/2026
MiASA/FIDA/DEFIS : NAMATSY ONDRY MIISA 200 HOAN’IREO TANTSAHA ATY AMIN’NY FARITRA IHOROMBENanomboka omaly, anio ary mbol...
21/05/2026

MiASA/FIDA/DEFIS : NAMATSY ONDRY MIISA 200 HOAN’IREO TANTSAHA ATY AMIN’NY FARITRA IHOROMBE

Nanomboka omaly, anio ary mbola hitohy ny ampitso sy ny asabotsy hoavy izao ny fizarana ondry, ao anatin’ny mekanisma MCV, izay natao hitsinjovana manokana ireo tokan-trano osa na koa hoe marefo aram-pivelomana. Ondry miisa 200 no hatolotra ireo tokan-tranon’ny tantsaha mpamokatra miisa 100, izay mivondrona ao anatin’ny fikambanana 10. Ny fikambanana iray dia samy hahazo ondry vavy miisa 16 sy ondry lahy miisa 4.

Ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny FIDA, Ministeran'ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, ny Ministeran'ny Fiompiana ary Fandaharanasa DEFIS. Tonga nanotrona izany ny Tompon’andraikitra ny fiompiana avy amin’ny Fandaharanasa DEFIS Nasionaly, ny Lehiben’ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fiompiana, ireo Ben’ny Tanana, TTMK, KMM sy ny teknisianan’ny TTMR.

Kaominina folo ato amin’ny distrikan’Ihosy no hisitraka izany, ka hatreto aloha dia ny kaominina Zazafotsy, Ambia, Ankily, Satrokala ary Ambatolahy no nahazo ny anjarany. Hitohy ny fizarana rahampitso zoma sy ny asabotsy any amin’ny kaominina Andiolava, Ranohira, Ilakakabe, Mahasoa ary Sahambano (haraintsika eto amin’ny FB ny tohin’izany fizarana izany).

Maro ny tanjona kendrena amin’ity MCV ity :
- Fidiram-bola maharitra: fampiroboroboana ny fiompiana ondry ho an’ireo tokan-trano marefo.
- Fanohanana teknika: fampiofanana sy fanaraha-maso ny fahasalamana iarahana amin’ny DIREL sy ny ekipan'ny DEFIS.
- Fizara-tombontsoa izay azo: noho ny mekanisma "revolving" (110%), hitatra amin'ny tantsaha hafa indray ny tetikasa aorian'ny roa taona.

Faly sy ravo avokoa ireo tantsaha mpahazo tombotsoa ka velom-pisaorana ny Ministera sy ny Fandaharanasa DEFIS, fa indrindra ny FIDA izay namatsy ara-bola izao famatsiana masonompy ondry izao. Nanome toky izy ireo fa hampitombo ny fihariana ondry izay azo, mba hahafan’ny tantsaha hafa hisitraka indray ity tetikasa ity.

MiASA/FIDA/DEFIS : HANANTANTERAKA TETIKASA FANAMBOARAN-DALANA, MAMPITOHY AN’I RANOTSARA NORD SY VOLAMBITAAraka ny hitant...
20/05/2026

MiASA/FIDA/DEFIS : HANANTANTERAKA TETIKASA FANAMBOARAN-DALANA, MAMPITOHY AN’I RANOTSARA NORD SY VOLAMBITA

Araka ny hitantsika tamin’ny pejy FB ny Fandaharanasa DEFIS, dia notanterahina omaly tao Ranotsara Nord, ny fivoriana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanadihadiana ara-teknika mikasika ny fanamboaran-dalana mampitohy an’i Ranotsara Nord sy Volambita (Vatovihy). Hetsika izay notarihin’ny UNOPS niaraka tamin’ny Bureau d’Études BRL Madagascar sy ny solontenan’ny GR/DRASA, ary niarahana tamin’ireo mpahazo tombontsoa.

Nanotrona izany ihany koa ireo manampahefana isan-tsokajiny, toy ny Assistant Parlementaire nisolo-tena ny Député voafidy tao amin’ny Distrikan’ Iakora, ireo Ben’ny Tanàna, ny solontenan’ny TTMR ary ireo Chef Fokontany... Marihina fa ny FIDA/Fandaharanasa DEFIS, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA), no mamatsy ara-bola ity fanadihadiana ity. Mbola izy ihany koa no hamatsy ara-bola ny fanatanterahana ny asa fanamboara-dalana rehetra, aorian’ity fanadihadiana ity.

Ny tanjon’ity tetikasa ity dia ny hanatsarana ny fivezivezen’ny olona sy ny famoahana ny vokatra, ao amin’ny Kaominina Ranotsara Nord sy Volambita. Antenaina amin’izany fa hihatsara ny fahafahan’ny tantsaha mivarotra ny vokatra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny vidiny mirary kokoa.

Haharitra dimy (05) volana ny hanatanterahana ny asa fanadihadiana ara-teknika. Natao izany mba hahafahana manangana fotodrafitrasa mateza sy maharitra, mifototra amin’ny fanadihadiana ara-teknika marina sy feno. Nandritra ny fivoriana dia nanamafy ireo Ben’ny tanàna sy ny solontenan’ny Député, fa vonona handray anjara sy hiara-hiasa tanteraka amin’ny Bureau d’Études sy ny orinasa hanatanteraka ny asa izy ireo.

20/05/2026
18/05/2026
MiASA/DEFIS: MANARA-MASO AKAIKY NY ASA FAMPANDROSOANAToy ny mpirahalahy mianala ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleo...
17/05/2026

MiASA/DEFIS: MANARA-MASO AKAIKY NY ASA FAMPANDROSOANA

Toy ny mpirahalahy mianala ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovatena Ara-tsakafo (MiASA) sy ny Fandaharanasa DEFIS, ka maneho hatrany ny fahavononany hiasa mba hisian’ny fampandrosoana maharitra, amin’ny alalan’ny fanajariana sy fanamboarana fotodrafitrasa manaja ny tontolo iainana sy miaro ny tombotsoan’ny vahoaka eny ifotony.

Ny 13 ka hatramin’ny 16 May 2026 teo, dia nidina ifotony taty amin’ny Faritra Ihorombe, nanao fanaraha-maso sy fanombanana ireo asa fanamboarana barazy, vatsian’ny FIDA vola, ny ekipa avy ao amin’ny MiASA, tamin’ny alalan’ny Service Environnement et lutte contre le Changement Climatique (SECC) sy ny Tomponandraikitry ny tontolo iainana (CENV) ao amin’ny DEFIS CIR Fianarantsoa.

Ireo lemaka voakasiky ny fanajariana ka nanatanterahina ny fanjohiana :
- PI MIKAIKY – CR Mahasoa
- PI ILAKAKABE – CR Ilakakabe
- PI ANDRIATOMILY – CR Ranohira
- PI ANDRANOTAKATRA – CR Ambatolahy
- PI ANTANIHETA sy PI MATSINJORANO – CR Sakalalina

Tanjona kendrena tamin'ny fanjohiana natao :
- Fanaraha-maso akaiky ny fizotry ny asa fanajariana sy fanamboarana ataon’ireo entreprise sy bureau d'études
- Fanamafisana ny fanajana ireo fepetra voafaritra ao anatin’ny Plan de Gestion Environnementale, Sociale et Climatique (PGESC) ;
- Fiantohana fa mifanaraka amin’ny fenitra ara-tontolo iainana sy sosialy ny fanatanterahana ny asa rehetra.
- Fanombanana ny fiatraikan’ny asa eo amin’ny tontolo iainana sy ny lafiny sosialy

Address

DRAE Ihosy Fanjakamandroso
Ihosy
313

Telephone

+261346170090

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Ihorombe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Ihorombe:

Share