WeLight

WeLight WeLight permet l’accès à une énergie propre 24h/24 dans les zones rurales en Afrique en déployant un modèle singulier et innovant de mini-réseaux solaires.

11/08/2026

👷 Izy no HENOA Jospin, Agent Technicien WeLight ao amin'ny tanànan'i Nosiarina.

🤔Inona marina no tena andraikitry ny teknisiana WeLight sy ny fanamby mety ho atrehany eny an-toerana?
📽'Ndao hojerentsika amin'ito horonantsary fohy, ny valin-tenin'i Jospin. ☀

𝗔𝗿𝗼𝘃𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗶𝗻𝗮𝗼 ! ⚠️Mampidi-doza ary mety hahafaty ny fikitihana na fanamboarana irery ny fitaovana mandeha amin'ny herin...
06/08/2026

𝗔𝗿𝗼𝘃𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗶𝗻𝗮𝗼 ! ⚠️
Mampidi-doza ary mety hahafaty ny fikitihana na fanamboarana irery ny fitaovana mandeha amin'ny herinaratra, tsy mahazatra!

✅ Antsoy ny Agent Technicien (ATP) WeLight akaiky anao raha misy ny manalasala ho fisorohana ny loza.

[TOROHEVITRA]Samihafa ny filàn'ny tokantrano sy ny mpandraharaha tsirairay. Izany no antony anoloran'ny WeLight karazana...
29/07/2026

[TOROHEVITRA]
Samihafa ny filàn'ny tokantrano sy ny mpandraharaha tsirairay. Izany no antony anoloran'ny WeLight karazana kaontera maro mifanaraka amin'ny fampiasana herinaratra andavanandro.

⚡ Ho an'ny monophasé, misy ny kaontera 300W, 600W, 1 100W, 2 600W ary 5 000W.
⚡ Ho an'ny triphasé kosa, misy ny kaontera 8 000W sy 15 000W, natao ho an'ireo manana filàna herinaratra ambony kokoa.

Mba hisafidianana ny kaontera mety aminao, tsara ny:
✔️ Manisa ireo fitaovana elektrika ampiasainao
✔️ Mahafantatra ny herin'ireo fitaovana ireo (Watt)
✔️ Mandinika ny faharetan'ny fampiasana azy isan'andro

🤝 Rehefa voafaritra ireo filàna ireo dia vonona ny ekipan'ny WeLight hidina eny ifotony hijery ny zava-misy sy hanoro anao ny vahaolana mety indrindra amin'ny filànao.

⚡ Fanjifana fahana amin'ny fomba maro !Na amin'ny finday na eny amin'ny Cashpoint, fantaro ireo fomba ahafahanao mividy ...
21/07/2026

⚡ Fanjifana fahana amin'ny fomba maro !

Na amin'ny finday na eny amin'ny Cashpoint, fantaro ireo fomba ahafahanao mividy ireo tolotra WeLight ô!
Manatona Agent Commercial eny amin'ny tanàna misy anao na miantsoa avy hatrany ny service client : 034 81 000 04 raha mila fanazavana fanampiny.

[Fantatrao ve ?]Efa mahatratra 60.000 ireo tokantrano eny amin'ny tontolo ambanivohitra no misitraka ny herinaratra WeLi...
14/07/2026

[Fantatrao ve ?]

Efa mahatratra 60.000 ireo tokantrano eny amin'ny tontolo ambanivohitra no misitraka ny herinaratra WeLight ankehitriny !

Faly izahay mahita fa mihamaro ireo tokantrano, sekoly, tobim-pahasalamana ary fandraharahana misitraka ny tombontsoa entin'ny herinaratra.

Mbola maro ny fanamby, saingy manohy miasa izahay hanatsara hatrany ny tolotra sy hamaly bebe kokoa ny filàn'ny mpanjifa andavanandro. 🤝

WeLight dia mamokatra herinaratra amin'ny alalan'ny angovo azo avy amin'ny masoandro. Tahaka ny tambajotran-jiro rehetra...
10/07/2026

WeLight dia mamokatra herinaratra amin'ny alalan'ny angovo azo avy amin'ny masoandro. Tahaka ny tambajotran-jiro rehetra, dia mety hisy fahatapahan-jiro indraindray.

📌 Maro ireo antony: Ny toetr’andro ratsy (andro maloka, orambe, rivotra mahery, kotro-baratra) , olana ara-teknika tampoka na koa fikojakojana ho fanatsarana sy fiantohana ny kalitaon’ny tolotra.

👷 Tsara ny manamarika fa ny teknisianina sy ireo "commerciaux" eny an-toerana dia tsy tompon'andraikitra velively amin'ny fahatapahan-jiro ary vonona hatrany hanampy sy hampita ny olana, ary handray an-tanana aingana amin'ny fanamboarana sy ny fanarenana, mba hanamaivana ny fiantraikany.

⚠️ Ny endrika herisetra sy fanimbana fotodrafitrasa WeLight dia miteraka fahatapahan-jiro sy olana samihafa izay miantraika ny tanàna iray manontolo, ary mety hahatonga amin'ny "fitoriana ara-pitsarana".

Arovako sy hajaiko ireo ekipan'ny WeLight sy ireo fotodrafitrasa mba hahafahan'ny rehetra misitraka herinaratra! ☀️⚡

[ ☀️ WeLight mandray anjara amin'ny fampandrosoana ifotony nandritra ny "Salon de la RSE" ]Ny 3 jolay lasa teo no nijoro...
07/07/2026

[ ☀️ WeLight mandray anjara amin'ny fampandrosoana ifotony nandritra ny "Salon de la RSE" ]

Ny 3 jolay lasa teo no nijoroan'ny talen'ny "Business Development", Mandresy Rakotoarison, izay nizara ny vinan'ny WeLight:

"Ny fahazoana herinaratra dia tsy tokony hijanona amin'ny fampazavana fotsiny, fa hahatonga ireo fiarahamonina eny amin'ny tontolo ambanivohitra hamokatra bebe kokoa, hamorona asa ary hisy fiaintraikany eo amin'ny fiainany."

Ireo teboka lehibe nentina nanehoana izany:
🔹 Vidiny mifanaraka amin'ny fahefa-mividin'ny tokantrano sy ireo mpandraharaha madinika.
🔹 Fiaraha-miasa matotra amin'ny kaominina sy ny kaoperativa mba hampiroboroboana ireo mpandraharaha eny ifotony.
🔹 Vina lavitra ezaka miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka mino ny hoavin'ny firenena.

Nanehoana ny firaisankina teo amin'ny sehatry ny angovo koa ny fotoana, tamin'ny alalan'ny fahatongavan'i Remy Hubert, Filohan'ny MAREA.
Fisaorana feno ho an'ny Club RSE, ireo nandray fitenenana rehetra, ary koa ireo nanatrika, noho ny amin'ny fifanakalozana nampandroso.

Akory aby e 👋Fantatrao ve ireo tolotra atolotry ny WeLight ? ⚡Iray amin'ireto ihany ny valiny marina, iza ary izany :a) ...
01/07/2026

Akory aby e 👋
Fantatrao ve ireo tolotra atolotry ny WeLight ? ⚡

Iray amin'ireto ihany ny valiny marina, iza ary izany :
a) Kaontera sy fahana
b) Kits solaire sy fahana

💬 Soraty ao anaty commentaire ny valinteninao !
Havoakanay tsy ho ela ao amin’ny commentaire ny valiny marina. 😉

27/06/2026

🔺 𝐄́𝐥𝐞𝐜𝐭𝐫𝐢𝐟𝐢𝐜𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐫𝐮𝐫𝐚𝐥𝐞 : 𝐖𝐞𝐋𝐢𝐠𝐡𝐭 𝐯𝐢𝐬𝐞 𝟏𝟎 𝐦𝐢𝐥𝐥𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐝𝐞 𝐛𝐞́𝐧𝐞́𝐟𝐢𝐜𝐢𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐞𝐧 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐝’𝐢𝐜𝐢 𝟐𝟎𝟑𝟎

✅ L’accès à l’électricité dans les zones rurales africaines pourrait connaître une nouvelle accélération. L’opérateur de mini-réseaux WeLight vient d’accueillir la Société Financière Internationale (IFC), branche du Groupe Banque mondiale dédiée au secteur privé, parmi ses actionnaires.
Une opération qui marque une étape majeure dans la stratégie d’expansion de l’entreprise en Afrique subsaharienne.

✅ Grâce à cette levée de fonds de 27 millions d’euros réalisée aux côtés d’AXIAN, Sagemcom et Norfund, WeLight entend renforcer ses activités à Madagascar et au Mali tout en s’implantant au Nigeria et en République démocratique du Congo. L’objectif est de développer une plateforme panafricaine capable de répondre aux besoins énergétiques de millions de personnes vivant encore loin des réseaux électriques nationaux.

✅ Depuis sa création en 2018, l’entreprise a déjà déployé près de 190 mini-réseaux et fournit de l’électricité à plus de 800 000 habitants. Son modèle repose sur l’énergie solaire, associée à des solutions de stockage et de distribution adaptées aux réalités des zones rurales.

✅ Avec l’appui d’IFC, WeLight affiche désormais une ambition à grande échelle : déployer plus de 1 000 mini-réseaux à travers le continent et améliorer les conditions de vie de près de 10 millions de personnes d’ici à 2030. Au-delà de l’accès à l’énergie, l’initiative vise à soutenir le développement économique local, l’éducation, les services de santé et la création d’emplois dans les communautés rurales africaines.

🇲🇬 Arahabaina nahatratra ny Asaramanitra 2026  ! ✨🎆Amin'izao ankatoky ny fetim-pirenena izao, WeLight dia manamafy ny fa...
25/06/2026

🇲🇬 Arahabaina nahatratra ny Asaramanitra 2026 ! ✨🎆

Amin'izao ankatoky ny fetim-pirenena izao, WeLight dia manamafy ny fanoloran-tenany amin'ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara eo amin'ny ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-piarahamonina.

Isika rehetra hampivoatra ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara ! ✊

Address

Bâtiment Ariane 5B Zone Galaxy Andraharo
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when WeLight posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to WeLight:

Shortcuts

Share

Category