Kraoma S.A Ofisialy

Kraoma S.A Ofisialy KRAOMA S.A.

est une société minière Malagasy qui se consacre à l’exploration, l’exploitation et à la mise en valeur des gisements de chromite de toute la Grande Ile.

24/12/2023
20/09/2021

➡️Efa mandroso amin'ny fitrandrahana sy ny famokarana "chrome" ny "usine" ankehitriny.

➡️Azo tsapain-tanana avy hatrany ny fandrosoan'ny orinasa KRAOMA S.A satria dia efa eo an-dalam-panondranana "chrome" miisa 34 "conteneurs" isika ankehitriny.

➡️Tsara ihany koa ny mampahafantatra antsika fa efa miverina amin'ny laoniny ihany koa ny famatsiana herin'aratra ao Brieville.

KRAOMA S.A miasa ho an'ny fampandrosoana ny firenena 🇲🇬

17/09/2021

Velom-panahy ny rehetra nahita ny handrana (essai) teknika momba ny fanodinana ny kraoma (chrome) ho vokatra azo ahondrana (rocheux sy concentré).
Ny famatsiana herin'aratra ny cité sisa no mila fijerena akaiky nohon'ny court-circuit izay hita amin'ny tarobia mitondra izany herin'aratra izany.

𝐴𝑓𝑎𝑘𝑎 ℎ𝑖𝑜𝑑𝑖𝑛𝑎 𝑡𝑠𝑦 ℎ𝑜 𝑒𝑙𝑎 𝑛𝑦 𝑜𝑟𝑖𝑛𝑎𝑠𝑎 Kraoma S.A Ofisialy, ℎ𝑜 𝑟𝑒ℎ𝑎𝑟𝑒ℎ𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑀𝑎𝑙𝑎𝑔𝑎𝑠𝑦.

𝑲𝒓𝒂𝒐𝒎𝒊𝒕𝒂 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 : 𝑯𝒊𝒐𝒅𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒐 𝒆𝒍𝒂 𝒏𝒚 𝒐𝒓𝒊𝒏𝒂𝒔𝒂 Roa taona latsaka kely izao no nitsahatra nihodina ny orinasa KRAOMA s...
16/09/2021

𝑲𝒓𝒂𝒐𝒎𝒊𝒕𝒂 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 : 𝑯𝒊𝒐𝒅𝒊𝒏𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒐 𝒆𝒍𝒂 𝒏𝒚 𝒐𝒓𝒊𝒏𝒂𝒔𝒂


Roa taona latsaka kely izao no nitsahatra nihodina ny orinasa KRAOMA sy ny niainan’ny mpiasa olana ara-tsosialy goavana nohon’ny tsy fandraisan-karama. Ankehitriny, nahavita ny antsoina hoe andrana ara-teknika ity orinasam-panjakana ity ka afaka hiodina tsy ho ela.

Fantatra fa hiainga amin’ny fitaovana misy eo am-pelantanana aloha ny orinasa amin’izao fanombohana izao. Efa mihodina ny ankamaroan’ny milina mpanohana ny KRAOMA toy ny central electric ka nifanome tanana tamin’ny mpiasa ny tale jeneraly sy ny solombavambahoakan’i Tsaratanana, nividy ny kojakoja nilaina tamin’ny fampihodinana ny orinasa, anisan’izany ny press hydraulique izay mitentina 19 tapitrisa ariary.

Rehefa niova ny fitantanana ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny otrikarena stratejika dia toa nisy fahagagana azo natao ihany tao ho fampihodinana ny orinasa. Raha tsy misy ny sampona dia amin’ny herinandro ho avy io dia hiverina amin’ny laonina tanteraka ny fampandehanana ny Kraomita Malagasy

Lalao.R

©Source : La Gazette de la Grande Île (publié le 15/09/21)

𝐇𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐜𝐡𝐫𝐨𝐦𝐞 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐫𝐢𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲? Maro no ilana azy ary ampiasaina sy hitantsika amin'ny...
13/09/2021

𝐇𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐚 𝐢𝐭𝐲 𝐜𝐡𝐫𝐨𝐦𝐞 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐫𝐢𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐢𝐭𝐲?

Maro no ilana azy ary ampiasaina sy hitantsika amin'ny andavanandro mihitsy aza.

Samy mampiasa sotro sy sotro rovitra (fourchette) avokoa isika rehefa mihinam-bary; nosorana kraoma (chrome) izy ireny mba hangirana.
Ny fitambarany amin'ny nickel no manome ny atao hoe acier inoxydable na hoe "inox" hoy isika (vilany, lapoaly, kaserolina, antsy, robinet, flexible de do**he).
Amin'ny sehatra hafa toy ny indostrian'ny fiara, moto, famantaran'andro sy ireo kojakoja maro samihafa ihany koa dia mampiasa azy fa eto indray dia "Chromé" no fiantso azy; ilay mangirangirana e!
Anisan'ny ahitana azy ihany koa ireny fils electriques ireny. Ho antsika mpakafy fanatanjahan-tena ihany koa dia mampiasa azy satria ahitana azy ihany koa ireny karazana fonjam-by sy vy mangirana ireny.
Ny sehatry ny fiaramanidina ihany koa dia mampiasa azy satria dia chrome avokoa iny faritra manodidina ny réacteurs rehetra iny.

Hitantsika fa tena sehatra indostrialy maro be no ilana ny CHROME.

Ananantsika eto Madagasikara io akora io ary manomboka izao dia hezahina mba ahazo tombony avy amin'ny fanondranana izany avokoa ny Malagasy rehetra.

Iarahana mahalala fa mbola tsy resy tanteraka ny valan'arentina COVID-19 Izany indrindra no nahatonga ireto mpiara-miasa...
10/09/2021

Iarahana mahalala fa mbola tsy resy tanteraka ny valan'arentina COVID-19 Izany indrindra no nahatonga ireto mpiara-miasa vitsivitsy ato amin'ny Kraoma S.A aty Antananarivo hanantanteraka ny vaksiny fanefitra amin'ny COVID-19.

🚨🚨🚨𝘼𝙠𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙛𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙖𝙙𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙤𝙢𝙖𝙡𝙮 𝙖𝙡𝙞𝙣𝙖 (fanitsiam-baovao) Araky ny famotompotorana izay nataonay dia tsy maty ...
10/09/2021

🚨🚨🚨𝘼𝙠𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙛𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙖𝙙𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙤𝙢𝙖𝙡𝙮 𝙖𝙡𝙞𝙣𝙖 (fanitsiam-baovao)

Araky ny famotompotorana izay nataonay dia tsy maty ilay tovolahy fa naratra mafy ary mbola ao amin'ny bloc hopitaly ao Ambatondrazaka. Ialana tsiny fa noho ny loharanom-baovao be loatra dia nifaomaofao ny raharaha.

Ny orinasa Kraoma SA dia mitondra ny teny fampaherezana ho an'ny fianakaviana mana-manjo ary mirary fahasalamana feno ho an'ny maratra.

Manameloka tanteraka izao fihetsika feno abibiana asehon'ireo fanetriben'ny firenena isika.

Misaotra ny Miaramila sy ireo Zandary miaro ny vahoaka. Ny raharaha moa dia am-pelatanan'ny manam-pahefana ary manantena sy miandry ny fanamafisana ny fiarovana ny ainy ny vahoaka.

📸 Sary fanehoana©

🚨🚨🚨𝘼𝙠𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙛𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙖𝙙𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙤𝙢𝙖𝙡𝙮 𝙖𝙡𝙞𝙣𝙖Taorian'ny fanafihana mitam-piadiana izay nitranga tao Brieville omaly a...
10/09/2021

🚨🚨🚨𝘼𝙠𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙛𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙖𝙙𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙤𝙢𝙖𝙡𝙮 𝙖𝙡𝙞𝙣𝙖

Taorian'ny fanafihana mitam-piadiana izay nitranga tao Brieville omaly alina dia renimpianakaviana 1 no namoy ny ainy ary ilay zanany 1 niaro azy dia voatifitra teo amin'ny kibony ka naratra mafy.

Ity vehivavy namoy ny ainy ity dia tompon'ilay tsenakely. Saika hataon'ireo olon-dratsy takalon'aina izy. Tsy naharaka ny dian'ireo dahalo dia notifirin'ireo tsy matahotody teny andàlana.

Re izao maraina izao fa tsy nahatohitra ny ratra nahazo azy ilay tovolahy dia maty tao amin'ny hopitaly tao Ambatondrazaka.

Ny orinasa Kraoma SA dia mitondra ny teny fampaherezana ho an'ny fianakaviana mana-manjo.

Manameloka tanteraka izao fihetsika feno abibiana asehon'ireo fanetriben'ny firenena isika.

Misaotra ny Miaramila sy ireo Zandary miaro ny vahoaka. Ny raharaha moa dia am-pelatanan'ny manam-pahefana ary manantena sy miandry ny fanamafisana ny fiarovana ny ainy ny vahoaka.

📸 Sary fanehoana©

🚨🚨🚨𝙁𝙖𝙣𝙖𝙛𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝘾𝙞𝙩𝙚́ 𝘽𝙧𝙞𝙚𝙫𝙞𝙡𝙡𝙚  🚨🚨🚨📣📣📣Fanahiniana ve sa  kisendrasendra no nahatonga ny dahalo mitifitra sy  mampihorohor...
09/09/2021

🚨🚨🚨𝙁𝙖𝙣𝙖𝙛𝙞𝙝𝙖𝙣𝙖 𝘾𝙞𝙩𝙚́ 𝘽𝙧𝙞𝙚𝙫𝙞𝙡𝙡𝙚 🚨🚨🚨

📣📣📣Fanahiniana ve sa kisendrasendra no nahatonga ny dahalo mitifitra sy mampihorohoro ny vahoaka ao Brieville. Toa atao daholo ny fomba ahakivy ny mpitantana sy ny mpiasa mba tsy handroso amin'ny famelomana ny orinasa reharehan'ny Malagasy.

TSIA....TSY MAINTSY MANDROSO MADAGASIKARA 🇲🇬

🚨Nisy andian'olona mitondra fitaovam-piadiana nanafika ny Cité Brieville vao minitra vitsy izay ary efa mandray ny andra...
09/09/2021

🚨Nisy andian'olona mitondra fitaovam-piadiana nanafika ny Cité Brieville vao minitra vitsy izay ary efa mandray ny andraikiny ny zandary sy ny miaramila.

09/09/2021

🚨 Fanambarana!! 🚨

Misy andian'olona mitam-piadiana manafika ny Cité Brieville amin'izao ora sy ny fotoana izao.

Natao ny fomba rehetra hampandehanana ny osinina. Mandeha izy ankehitriny, tena mandeha. Manomboka ny fanondranana kraom...
08/09/2021

Natao ny fomba rehetra hampandehanana ny osinina. Mandeha izy ankehitriny, tena mandeha. Manomboka ny fanondranana kraoma (chromes). Madiva ho vita ny fanarenana.

Indro aseho antsika ny zava-bita. Afaka hamokatra tsy ho ela ny KRAOMA, orinasan'ny Malagasy.

Address

Andrianaivoravelona Zanany, Ampefiloha
Antananarivo
936

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261202266431

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kraoma S.A Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Kraoma S.A Ofisialy:

Share

Category