11/07/2025
« Firy kay zareo biriky lany raha hanao trano otrany izao? Mahalany biriky firy kay ty rindrina ity?»
Matetika miveriberina foana io fanotaniana io. Ho jerentsika anio ny fomba tsotra ahitana ny isany biriky lany aminy rindrina 2 m ny halavany(Longueur) ary 2,50 m ny hahavony(Hauteur), ny sakany 20cm ( Largeur na murs 20 hoy isika )
🏠2m sur 2,50 ary murs 20 izany ilay ho atao kajy eto.
Tsara ho marihina aloha ireto formule ireto:
Surface : Longueur x Largeur (m2)
Cubage : Longueur x Largeur x Hauteur (m3)
Eto dia ny formule cubage no raisin’tsika, izany oe atao m3 izany ilay refy trano.
Noho izany, Volume brique : 2m x 2,5m x 0.2 (murs 20) = 1 m3.
- Ny refy biriky tsisy mortier (ciment na tanimena) aminy zao eo2 : 0,18x0,08 x0,08=0,001152 m3
- Ny refy biriky miaraka @ mortier raisina oe 1cm ny teviny (ciment na tanimena) : (0,18+0.01)x(0,08+0,01)x(0,08+0,01)=0,001539m3
Izany oe refa manao règle de 3 ntsika (ilay misy mortier no raisina eto) dia
0,001539m3 -> biriky 1
1m3 -> ?
Isam’biriky izany : 1m3/0,001539m3 = 650 isa ny iray m3
Tsara ho fatatra:
1 - Tsara maka marge kely aminy isa satry misy simba eo ampanaovana 10à15% eo ihany
2 - Mety atao m2 ihany ko , eo2 aminy 130 isa eo ny iray m2 raha rindrina 20 no atao.
Mahasahy manoboka ary mahavita soa tompoko 🏠👷🏻♂️ ( sady mianatra ihany ko ny pejy raha misy fanampiana tinao atao 😉)
Entreprise Narison « Donnez vie à Vos rêves