Aina Nirina Ingénieur

Aina Nirina Ingénieur Cette page va devenir petite à petite une page de présentation de la REFLEXION d'un INGENIEUR sur le DEVELOPPEMENT DURABLE (FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY).

Je vous remercie de votre compréhension. Je vous invite à suivre (ou donner des "j'aime") à la page.

27/05/2026

Mampahatsiaro ahy ilay tamin'ny nanangana ilay tetezana tany Manambondro ity video kely ity. Ny tany Manambondro dia pont 200m de longueur environ, 4 poutres principales en béton précontraint de 45m de portée environ etc. Pont efa vita eny amin'ny RN12A io ho an'izay tsy mahafantatra. Bac no teo taloha. Video tsara jeren'ny mpianatra na mpiasa eo amin'ny sehatry ny BTP.

RESAKA MPIVAROTRA AMORON-DALANA (FANDAMINANA NY RENIVOHITR’I MADAGASIKARA)TANTARA TENA NISY TSY ELA AKORY no anombohako ...
13/05/2026

RESAKA MPIVAROTRA AMORON-DALANA (FANDAMINANA NY RENIVOHITR’I MADAGASIKARA)

TANTARA TENA NISY TSY ELA AKORY no anombohako azy : Nisy Madama iray nodomin’ny TAXIBE tapaka HISATRA (frein) teo Behoririka. Teny amin’ny arabe izy no nandeha satria FENO MPIVAROTRA NY TROTTOIR. Manaiky ve ny MPIVAROTRA fa MPAMONO OLONA izy ireo tamin’io ? TSY MANAIKY NY MPIVAROTRA. Noho izany, REHEFA TSY MANAIKY HO RESPONSABLE dia miala teo amin’ny TROTTOIR ianareo MPIVAROTRA fa an’ny MPANDEHA AN-TONGOTRA ny TROTTOIR. Rehefa alamina ka afindra (mety mbola trottoir na arabe hafa) dia mifalia fa efa FANDEFERAN’NY FIARAHAMONINA aminareo izany.

Fa ny tena lalàna dia izao :

ARABE na LALANA ho an’ny fiara,
TROTTOIR ho an’ny MPANDEHA AN-TONGOTRA
TSENA ho an’ny MPIVAROTRA

Dia HILAMINA isika MIANAKAVY.

AOK’IZAY NY GABORARAKA. ANDAO HANARINA AN’ANTANANARIVO NOPOTEHAN NY MPITONDRA TEO ALOHA tao anatin’ny 16 TAONA ISIKA. EKEO NY FANDAMINANA.

B/ GARES ROUTIERES SY NY MANODIDINA AZYNy GARE eny amin’ny MAKI dia tokony ho an’ny taksibrosy mandeha RN1 sy RN4. Ny GA...
12/05/2026

B/ GARES ROUTIERES SY NY MANODIDINA AZY
Ny GARE eny amin’ny MAKI dia tokony ho an’ny taksibrosy mandeha RN1 sy RN4.

Ny GARE FISANDRATANA eny amin’ny Bypass kosa (io no anaran-toerana teneniko mba ho azontsika fa mifandray io gare io sy ny By-pass) dia natao ho an’ny taksibrosy mandeha amin’ny RN2 sy RN7.

Manaraka an’ireo lalana « 4 voies » ireo ZOTRA NASIONALY ireo rehefa hamonjy ny lalampirenena handehanany.

Ny tombontsoa azon’ny mpitatitra sy ny mpandeha dia hahazo gare routière trano tsara tarehy, hanaraka fandaminana ny fiara fa tsy gaboraraka. Foanana ny mpanera (mpanendaka entan’olona sy mpangaropaosy ny sasany). Mba madio ny toerana rehetra fa tsy ao anaty fotaka rehefa fahavaratra, madio ny toeram-piandrasana, ny toeram-pisakafoanana, ny toilettes, hihena ny tohamboivoy (embouteillage) sns

Iza ireo olona te-hifikitra tsy hiala eny amin’ny fasan’ny karana ? Ny mpanera ho very fihinanana, ny tompon’ny hotely sady maloto na kitoatoa eny izay matetika olona ao amin’ny koperativa ihany na havany ka mahatonga ny koperativa sasany te-hifikitra eny sns, Raha fintinina dia ireo olona matahotra ho very tombontsoa rehefa miala eny ? Izany hoe ny TOMBONTSOANY MANOKANA no isakanany ny TOMBONTSOAN’NY BESINIMARO.

Inona no vahaolana ? Tsy mety mihitsy ilay FANJAKANA MALEMY ka hoe izay TE HIFINDRA NO MIFINDRA. Fa mila MIFINDRA DAHOLO dia akatona tanteraka ny GARE ROUTIERE FASAN’NY KARANA. Tsy maninona raha AFINDRA ALOHA izay VONONA, dia MORA NY MANERY izay tavela farany eny amin’ny FASAN’NY KARANA hanaraka ny namany.

Misy MESURES D’ACCOMPAGNEMENT tsy maintsy atao hanamorana ny fandehanan’ny mpandeha mankeny. TSY MAINTSY ASIANA BUS mampitohy ireo Gares routières roa ireo.
Ohatra ny voalohany miainga eny amin’ny MAKI, mandalo lalambaovao, boulevard de l’Europe, Marais Masay, Rocade (tsy mihodina eny Ambohimangakely), Gare routière By Pass ALLER RETOUR.

Ny faharoa mety hoe miainga eo amin’ny MAKI ihany, mandalo lalambaovao (sa handeha digue, handalo Anosizato sy fasan’ny Karana ??), mivily 67Ha (Boulevard de l’Europe), CENAM, Anosibe, Soanierana, Ankadimbahoaka, Bypass, District, Gare routière By-pass ALLER RETOUR.

Raha atambatra dia amin’arivony ny fiara hivezivezy amin’ireo gares routières roa ireo. Izany hoe hisy fiara amin’arivony tsy handeha amin’ny lalana fasan’ny karana, Ankadimbahoaka, Bypass, RN7 (fa hiainga eny amin’ny Bypass avy hatrany), toy izany koa ilay zareo mandeha RN4, niainga teo AMBODIVONA TALOHA, nandalo tohamboivoy Ambodivona Andohatapenaka zany vao tafavoaka RN4 avy eo sns. Efa miainga avy hatrany avy eny Andohatapenaka. Toy izany koa ny ho any Ambatondrazaka izay eny Antohomadinika izao sns. Efa mampihena ny tohamboivoy ny tsy fisian’izay.

Rehefa miala eny amin’ny Gare routière Ampasampito ny fiara mandeha Moramanga , Vatomandry, Mahanoro sns dia afindra eny ireo mandeha Manjakandriana, Alarobia Ambatomanga Mantasoa, Ambohitrandriamanitra sns. Afaka ho azy ny tohamboivoy eo Mahazo.

Mbola maro ny azo lazaina fa izay aloha no voalaza. Manantena fa mba misy hevitra azo raisina ato. Amin’ny manaraka dia ny hevitra HAMPIHENANA ny TOHAMBOIVOY eto Antananarivo anaty tanàna indray no horesahantsika. Misaotra indrindra tompoko.

Hisy pub roa mifampitohy ataoko eto hiresahantsika TSOTSOTRA momba ny  : A/ VINA FANAOVAN-DALANA 04 voies eto GRAND TANA...
11/05/2026

Hisy pub roa mifampitohy ataoko eto hiresahantsika TSOTSOTRA momba ny :
A/ VINA FANAOVAN-DALANA 04 voies eto GRAND TANA

B/ GARE ROUTIERE SY NY MANODIDINA AZY
Atolotra ho antsika izay LIANA amin’ny FAMPANDROSOANA, BTP, URBANISME, TRANSPORT sns na mpianatra, na mpanao politika na Ben’ny tanàna na olontsotra sns

A/ VINA FANAOVAN-DALANA 04 voies eto GRAND TANA
Misy VINA maromaro mifampitohy ao. Ny lalana 4 voies ihany no horesahantsika aloha

1. Fanamboarana lalana 4 voies mihodidina an’Antananarivo (grande rocade) miainga eo Iavoloha RN7, By-pass mandalo Ambohimangakely (RN2), mandalo any ambadik ‘i Anosiavaratra (RN3), mitohy eny IVATO (seranam-piaramanidina) dia tonga eny amin’ny RN4, avy eo mandalo ny RN1 vao tafaverina eny IAVOLOHA RN7. Mbola vao tsy ampy ny antsasak’io VINA io no vita. Ny ampahany vita aza mbola 02 voies daholo noho ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola. Ny nanombohana an’io VINA io dia ny BY-PASS. Ny ampahany faharoa dia ny Ivato Andranotapahana.

2. Misy ny antsoina hoe bretelles na petite rocade izay lalana 4 voies fa manivaka afovoantanàna (tsy mandalo Analakely). Ohatra Bypass Ankadimbahoana Anosibe, 67ha, Boulevard de l’Europe, Marais Masay, Rocade ary By-pass. RAHA NY TENA IZY dia TSY AZO IJANONAN’NY FIARA double stationnement ireo lalana ireo sady tsy azo ivarotana fa tokony hijanona ho 04 voies hatrany MBA TSY HO KENDA ilay lalana. Ny vita voalohany tamin’io dia ny lalana Anosibe, ny CENAM mankeo amin’y tetezan’Ampasika, ny MARAIS MASAY sy ny boulevard de l’EUROPE. Vao vita farany teo kosa ny Rocade. Ny lalambaovao Tsarasaotra Ivato sy ny lalambaovao mampitohy ny Boulevard de l’Europe sy ny digue hatreny amin’ny pont Ambohitrimanjaka sy Andranotapahana, dia tokony ho 4 voies fa natao 2 voies noho ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola. . Mbola misy maro hafa fa tsy mbola vita.

Raha hazavaina dia toy ny FANORONA io ka ny GRANDE ROCADE ilay mahitsizoro manodidina, ny bretelles na petite rocade kosa ireo diagonales manivaka eo afovoany.
Ny tanjona dia ny HAMPIHENA ny fiara manivaka eo Analakely sy ny afovoan-tanàna mba . HAMPIHENANA ny TOHAMBOIVOY (embouteillage) eto Antananarivo.

Lalana toa an’io no nahatonga ilay fitenenana hoe TOUS LES CHEMINS MENENT A ROME. Jereo ity carte an’i Rome ity fa misy karazana GRANDE ROCADE sy BRETELLES ihany koa. Raha vita izany io GRANDE ROCADE io sy ny BRETELLES rehetra dia mety ho azo tenenina ny hoe TOUS LES CHEMINS MENENT A ANALAKELY ??

Détecteur de mensonge? (Sary nindramina) Tena ilaina vé? Ilaina tokoa rehefa olona manonofy hiditra ministra ary efa han...
19/03/2026

Détecteur de mensonge? (Sary nindramina)
Tena ilaina vé? Ilaina tokoa rehefa olona manonofy hiditra ministra ary efa hangoron-karena no ao an -tsainy. Fa maro koa ny olona mihevitra hiditra ministra ary tena madio saina fa hampandroso an i Madagasikara tokoa no tanjony.
Saingy.... Ho VOAFITAKA koa Radetect satria rehefa azony n'y seza vao Tonga n'y fakampanahy maro hahatonga azy hivily lalana. Misy maffia manatitra vola @ malety, Raha mañana olana privé Ilay ministra nefa tsisy vahaolana afatsy n'y manodim-bola? Sns... Noho izany, ny vahaolana dia mila mandalo détecteur de mensonge isaky ny 3 volana ny ministra voatendry. Sa ahoana ny hevitrareo?

Atao 1000ar n'y vola ambony indrindra dia bé vava daholo n'y TSY MAHATAKATRA NY TIANA HOLAZAINA. Diniho io sary io. 2000...
18/03/2026

Atao 1000ar n'y vola ambony indrindra dia bé vava daholo n'y TSY MAHATAKATRA NY TIANA HOLAZAINA. Diniho io sary io. 20000ar taloha izany = 1000ar vaovao. izany hoe n'y zavatra nodianao 40000ar ohatra dia 2000ar sisa no aloanao. izaho miteny hoe TSY METY IO fa tokony atao 20000 ar TALOHA = 2000ar vaovao. Dia mba ZERO IRAY no esorina satria maro n'y Malagasy tsy mahay manisa any ambanivolo any. Aza manahy fa tsy mila mitondra vola 1 gony zany raha hiantsena e.

11/03/2026

N'y finoana hono mahafindra tendrombohitra. N'y Sinoa koa mahafindra a 🥰💪

19/02/2026

Aleo ravako ny Colisée dia homena ahy daholo n'y potika béton miala eo s'y n'y fer à béton rehetra.

Mila ahitsy ny KALANDRIE ny FAMPIANARANA eto Madagasikara fa tsy hanaraka am-bokony izay nofaritan ny MPANJANAKA isika  ...
11/02/2026

Mila ahitsy ny KALANDRIE ny FAMPIANARANA eto Madagasikara fa tsy hanaraka am-bokony izay nofaritan ny MPANJANAKA isika
Atambatra n'y vacance de Noël s'y n'y grandes vacances. Zany hoe manomboka 15 Desambra eo ny grande vacance dia faranana ny 15 mars. Tsy olana ny manao examen anaty orana (raha hisy ny orana) Novambra sy Desambra eo ho eo n'y examen mpanjakana no atao. Zay te hanao vakansy any @ côte dia 15 Desambra h@ 15 janvier tsy mbola misy cyclone. Izay te handositra cyclone kosa afaka manao vakansy aty afovoan tany satria aty malefaka n'y cyclone. Izay vao tena HITOVY ny zanaka Malagasy satria androany Zao n'y mpianatra @ région 18/23 mianatra fa n'y 5 tsy mianatra. Rahampitso dia efa hiverina hianatra n'y région 3 Amin ireo fa n'y 2/23 Mbola potika n'y sekoly dia tsy afaka hianatra. N'y date d examen officiel tsy miova ho an ny rehetra. N'y fanontaniana apetrako dia hoe Iza n'y ZAVADEHIBE: ny FIANARANA sa n'y VAKANSY?

Kanto loatra ny niantsan’i Olontsoa Ikoriantsoa ny tononkalony hoe : « SAKANDAHINTENY » ka nahatonga an’ity aingampanahi...
26/03/2025

Kanto loatra ny niantsan’i Olontsoa Ikoriantsoa ny tononkalony hoe : « SAKANDAHINTENY » ka nahatonga an’ity aingampanahiko hoe : « IRENY ZAZAVAVY IRENY »
(Ranty efa nahazoana alalana ity. Alefaso ary ny taria e)

IRENY ZAZAVAVY IRENY

Ireny zazavavy ireny:
Felamboninkazo mandravaka ny lalana...
Manainga ny fanahy hivetso ny fitiavana...
Ireny zazavavy ireny:
Vanona sy valahara, olona ikoriantsoa...
Maotina sy tena kanto ka mambabo fo tokoa...
Ireny zazavavy ireny...
Moa va nidina ny anjely mba hanjanaka ny tany?
Ka hambabo zazalahy mba ho entiny ho any...?
Ireny zazavavy ireny:
Tena olona mahery fa tsy fanaka malemy...
Izay nofiny rehetra dia tolorana ny ENY...
Ireny zazavavy ireny:
Mampahiratra ny jamba, ka ny moana koa niteny...
Hoe "mba tena kanto loatra ireny zazavavy ireny"

AINA NIRINA
(14 martsa 2025 tamin'ny 23:50)

SAKANDAHINTENY

Ireny zazalahy ireny, vony hanitry ny ala
Natsikafon_drivo_maina eny an_tsefantsefana habaka
Ireny zazalahy ireny, na iriana ho malala
Tsy ho avy, tsy ho hita, fa mandre anao mivavaka

Ireny zazalahy ireny, masoandro vao maraina
Mitaratra hazavana, mitsilo anao ombieny
Ireny zazalahy ireny...
Aina feno aina Apingan_Janahary mamelona ny teny

Ireny zazalahy ireny, zavatry ny lanitra
Miaina ny tontolo any ankoatrahoatrany any
Ireny zazalahy ireny no zanak'Andriamanitra
Miaina manontolo toy ny zanaky ny tany

Ireny zazalahy ireny, zaza kanto misariaka anivon'ny tontolo, vatana sy saina
Tsy azonao bedaina...
Tazana fa tsy hita
Ireny zazalahy ireny, zavozavo miaina

Ireny zazalahy ireny no tena lehilahy
Akora itoeran'ny atodina fanahy
Vongam_paharian'ny Poeta tena sahy
Zazalahy MAHERY, zazalahy FANAHY

Olontsoa Ikoriantsoa

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aina Nirina Ingénieur posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Aina Nirina Ingénieur:

Share