10/03/2025
=>TSARA HO FANTATRA MOMBA NY TANIM-PANJAKANA AZO AMIDY
LALANA MIFEHY
> Lalàna laharana faha 2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008 momba ny fananana azo amidy an’ny Fanjakana, ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ary ny fikambanana hafa fehezin’ny lalàna ifampitondran’ny daholobe.
>Didim-panjakana laharana faha 2010-233 tamin’ny 20 aprily 2010 ampiharana ny lalàna laharana 2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008.
+IREO TANY SOKAJIANA HO TANIM-PANJAKANA AZO AMIDY:
> Tany vita titra na vita kadasitra amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy;
>Tany tsy mbola vita titra saingy tsy nodiavim-pangady na tsy mbola nisy fanajariana mihitsy hatrany amboalohany.
> Tanim-panjakana tsy azo amidy teo aloha (domaine public) saingy niova sata ka lasa tanim-panjakana azo amidy.
+IREO FEPETRA FITANTANAN'NY FANJAKANA NY TANIM-PANJAKANA:
Mikirakira ny fananany toy ny olon-tsotra ny Fanjakana ka azony atao malalaka ny mivarotra, mampanofa, manakalo, manome maimaim-poana…saingy atao manaraka ny fepetra voalazan’ny lalàna izany.
+IREO FOMBA ITANTANANA NY TANIM-PANJAKANA :
>Fampanofana : fampanofana tsotra na fampanofana maharitra( bail emphythéotique)
> Fanokanana arahina fepetra ao anatin’ny fotoana voafetra (affectation) : tany ho an’ny Ministera
>Fanomezana maimaim-poana ( dotation): ho an’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana;
>Fanomezana tany hampiasaina maimaim-poana (mise à disposition gratuite): foto-drafitr’asa ho an’ny tombotsoa ara-tsosialy, ara-kolotsaina, ara-tsiansa.
>Fifampivarotana ( raikitra, raha latsaky ny 10ha ; arahina fepetra raha mihoatra 10ha).
+IREO SOKAJIN'OLONA AFAKA MANGATAKA TANIM-PANJAKANA:
>Olon-tsotra
> Orinasa
>Fikambanana
>Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana
>Ministera
+IREO TOMPON'ANDRAIKITRA MAHEFA RAHA HANAO FIFANARAHANA MOMBA NY TANIM-PANJAKANA:
>Tany eny amin’ny Kaominina an-drenivohitra:
>Raha tany latsaky ny 1000 m2: ny solontenam-panjakana eny anivon’ny Faritra;
>Raha tany mihoatra ny 1000 m 2: ny Ministra misahana ny fananan-tany.
Géo-topo Consulting. tel : 034 03 656 95, aza adino ny manisy j'aime ny page