27/01/2026
Izy no RAKOTONDRANAIVO PASCAL, Rapasy moa ahafantaran'ny olona azy. Mpanao dépannage électronique sy mivarotra kojakoja efa niasa mifandray amin'izany izy. Eo anelanelan'ny arrêt bus vidéo sy pharmacie no misy azy raha andeha ho any Itaosy iny. Toy izao no tantara fohy nozarainy.
Teny amin'ny Ramamonjy Ambondrona izy no nianatra ny électronique tamin'ny taona 1980 tany ho any. Kanefa hitany mivoatra foana io sehatra io ka mahatonga azy anampy fahalalana isan'andro. Niteny moa izy fa afaka manao ny dépannage rehetra fa kosa noho ny fitaovana ampiasainy hitantsika amin'ny sary dia mety ihisy asa tsy ho afaka ho ataony.
Taloha izy dia nanana atelier teny amin'ny 67ha, Ampasika, Anosizato, Ampitatafika ohatra fa ny olana dia alain'ny tompony foana ilay toerana ka tsy maintsy mifindra. Talohan'ny nisafidianany iasa sy ivarotra eto dia teny amin'ny lalam-by Ampefiloha teny izy. Rehefa nisy anefa ny confinement tamin'ny taona 2020 dia tsy afaka nivezivezy teny intsony izy ka nisafidy teo.
Efa maro mpafantatra hoy izy ka betsaka ny manantona manao dépannage, moa mirary koa ny sarany. Ny faniriany moa dia ny hoe mba fitaovana tsara kalitao tsy mora simba no ampidirina eto Madagasikara. Tsy nieritreritra ny itady asa hafa mihitsy izy ankoatra io mivarotra sy manao dépannage io satria tena tiany io tontolon'ny électronique io. Ny zanany raha teo koa moa manaraka ny diany ka manana atelier eny Ambohijatovo eny araka ny nambarany.
Mankasitraka anao nizara ny tantaranao ary mirary soa anao izahay. Tongava eny amin'ny misy azy sao eny ilay piéce tadiavinao. Ho ento eny koa ny fitaovana électronique mety mila fanamboarana fa vonona ny handray anao i Rapasy. 😁🙏