10/03/2023
Efa taona maro maro izay no namatsianay asarano madagasikara an ireto karazana milina fampiakarana rano mandeha aminâny herinâny masoandro ireto, aminâny ankapobeny dia tsara izy ireto nefa ny sarany dia mirary, manana piesy fanolo aminy ihany koa izahay raha misy ny fahasimbany, tombony lehibe izany.
Ny fady aminy dia mandeha tsy misy rano,
Raha sendra rano be sokay( eau dure) ihany koa na somary be be fotaka ny rano trohana aminy dia mila diovina matetika ny pompy satria mampihitsoka ilay « vis » mampiakatra an ilay rano iny izany ka lasa miezaka be ilay milina ka mety hiteraka hatraminâny fahafatesan ilay milina mihitsy aza izany.
mila diovina ihany koa ny pompy raha tsy nampiasaina ela nefa nipetraka tao anaty rano foana.
Misy ny milina natokana hoanâny lavadrano tsotra ary misy ny natokana hoanâny forage.
Toetranâny milina natokana hoanâny lavadrano :
đ24 V, 250 W, 1500l/h, misy 10m, 20m, 30m, 50m
Toetranâny milina natokana hoanâny forage:
đ24V, 250W, 1500l/h, misy 60m sy 100 m.
Antsoy mivantana: 0341094887