Astuce.com

Astuce.com Ventes articles de mode et accessoires.

17/12/2020
17/09/2020
15/08/2020
06/06/2020

Mety mahasoa anao: Ahoana ny dosage ciment

Matetika rehefa manao trano na misy zavatra madinika atao dia tsara ny mahafantatra ny momba ny asa atao, na ho fanaraha-maso na ho fanamarinana ny tolo-bidy na devis omen'ny maçon.

Ny ciment raha tsotsorina dia lakôly mampitambatra briky na vato na fasika.

Misy karazany maro izany ny ciment arakaraky ny zavatra tiana atao.

Misy ciment ampitambarana briky na mety andalorana ihany koa na ametahana carreau.

1-Lalotra:

Ny lalotra dia fasika madinika voasivana no atambatra amin'ny ciment, sady anome endrika ny trano no hiaro amin'ny rano na orana ( Étanchéité). Raha toerana mando lava, na siniben-drano na piscine na tongotra tetezana milona rano, na barrage, na tata-drano dia misy produit anampy ny ciment toy ny sikalite, na misy karazana ciment natokana amin'izany.

Misy ciment natokana fanaovana lalotra.

Fatra: 3 sy 1

Inona no dikan'izay

Ny fasika no atambatra amin'ny lakoly ciment, izany hoe ny fasika no betsaka fa tsy ny ciment akory.

Maka famarana izany ianao. Ohatra daba menaka bidon jaune 20 litres no tapahana 2. Maka fer 6 atao tahony. Lavahana andaniny sy ankilany dia afaingo eo, mba tsy ankarary tanana mibata azy dia asio tuyau orange fanaovana lalan'ny fil anaty rindrina mifono ilay fer 6 atao tahony.

Ka raha 3 sy 1 ny dosage fandalorana na fampiakarana briky dia in-telon'ny (3) famarana izany ny fasika ary iray (1) famarana ny ciment.

Mitovy ihany izany ny dosage raha borety no atao famarana, mety koa raha gony ciment.

Raha 1 gony izany ny ciment dia in 3 gonin-tsimenitra ny fasika.

Ahoana ny fanaovana azy :

Jereo toerana madio. Fadio ny miasa manafangaro ciment eo amin'ny tany. Raha betsaka ny atao, dia manamboara gâchoir, izany hoe manao toerana iray asiana fanambaniny ciment anaovana fanangaroana ciment fotsiny.

Ny fasika no araraka mialoha arak'ilay dosage, somary atao boribory asiana lavaka kely afovoany. Araraka eo ambony ny ciment arak'ilay dosage. Raha mampiasa sekalite dia araraka ambonin'ny ciment ny sekalite.

Afangaro moramora izany aloha ny ciment sy ny sekalite, avy eo vao afangaro tsikelikely amin'ilay fasika eo ambany. Rehefa mifangaro tsara daholo izay vao averina boribory asiana lavaka afovoany, vao asiana rano.

Ahoana ny fatran'ny rano

Ny fatran'ny rano dia arakaraky ny asa tiana atao sy ny ciment ampiasaina. Jereo ny gony ciment fa misy fatra omeny arakaraky ny famarana nampiasaina, eo no mahatsara ny mampiasa famarana bidon jaune tapaka, mora amarana ciment, fasika, vatokely, rano.

Matetika raha fatra 3 sy 1 dia, fasika in-3 famarana, ciment 1 ary rano 1/2 (atsasaky ny famarana). Raha béton kosa dia 1/3 famarana ny fatran'ny rano.

Fa amin'ny ankapobeny, tsy atao mandobe.

Tadidio izany fa ny tanjona dia ny ampiraikitra lakoly ny fasika. Ka raha be loatra ny ciment dia vakivaky izy rehefa maina. Tsy midika izany hoe atao be lakoly na ciment mba ho mafy. Voamaika aza vakivaky mifandrirotra ny ciment raha be loatra.

Misy karazany izany ny fasika arakaraky ny asa tiana atao, raha béton no atao, dia ny vatokely no atambatra, nefa misy elanelany banga ny vatokely, dia izay no asan'ny fasika manetsina miditra anelanelan'ny vatokely, dia ny ciment mbola kely ny abehany misisika anelanelan'ny fasika, dia ny rano no mitondra ny ranon-tsimenitra miditra anatiny rehetra any, ka rehefa maina ny ciment dia lasa mafy mitambatra ho iray ny vato tsetseman'ny fasika ny lavadavaka rehetra.

Raha lalotra izany no atao dia fasika madinika ary mbola sivanina amin'ny tamis no ampiasaina.

Raha béton de propreté tsy misy vy atao fanambaniny dia fasika moyenne, izany hoe kelikely ny grain, raha béton armé na misy vy dia fasika vavety, azo afangaro fasika moyenne ihany izy eo anampy amin'ny fanetsenana ny banga.

Izay no tsy ampiasana fasika an-dranomasina satria misy sira ny fasika ranomasina, ka rehefa vita ny trano na ny béton dia mitsonika lasan'ny rano ilay vaingatsira dia mamela lavadavaka ka rehefa ela dia mihotsaka tsikelikely ilay ciment, dia vakivaky ny rindrina ary mety irodana ny trano, indrindra ny fondation na ny fototra.

Ny trano any amin'ny faritany amoron-dranomasina matetika tratran'io, ka matetika mampiasa briky ciment na parpaing ny olona noho ny tsy fisian'ny biriky tanimanga. Mampiasa fasika fotsy ranomamy. Tandremo izany fa misy mamitaka ka fasika ranomasina no sasany. Mora fantatra ny fasika ranomasina, boribory lanin'ny riaka ny grain fa tsy vakivaky misy rirany maranitra toy ny fasika an-tanety.

Mety, ary tsara ny fasika an-dranomamy na fasika an-tanimbary raha madio. Esory hatrany ny fakofako sy sachet fa rehefa potika sy lo izy ireny anaty béton any dia lasa lavaka ny toerana nisy ilay fako dia feno lavadavaka ny trano dia mitritra.

2-Béton:

Misy karazany roa, ao ny tsotra tsy misy vy ao anatiny, béton de propreté, ary ao kosa ny misy vy na béton armé, ilay vy izany no antsoina hoe armature.

Hiverenantsika manaraka ireny, fa eto ny dosage ihany no resahina.

Mitovy ihany ny dosage na misy vy na tsy misy arakaraky ny zavatra atao.

Ny béton dia vatokely no atambatra, ary ny fasika no manetsina ny lavadavaka anelanelan'ny vato, ary ny ciment no misisika anelanelan'ny fasika madinika.

Midika izany fa ny vatokely no betsaka, avy eo ny fasika izay vatokely manify ihany koa, izay vao ny ciment, madinika kely ny grain.

Misy ciment natokana fanaovana béton, misy mampiasa ny ciment fandalorana anaovana béton satria mora kokoa ny ciment fandalorana. Raha zavatra tsotsotra no atao dia tsy dia misy olana izay, fa raha hanao poteau na poutre na dalle dia aleo mampiasa hatrany izay ciment voalazan'ny mpanamboatra azy.

Fatrany:

Mora itadidiana azy dia 1-2-3

Ciment 1 famarana

Fasika 2 famarana

Vatokely 3 famarana

Tadidio foana ny granulométrie, izany hoe ny grain vavety no atambatra tsetseman'ny grain madinika.

Ka ny vatokely atambatra izany no in 3 famarana, tsetseman'ny fasika in 2 famarana ary atambatry ny lakoly ciment 1 famarana. Ny rano 1/3 famarana.

Raha be loatra izany ny ciment dia vakivaky io béton io, sady lany vola satria lafo ny ciment.

Ahoana ny fikajiana ny vatokely, fasika, ciment ilaina

Ohatra : Anamboatra dallage tokotany 3m x 4m = 12m2, ka atao 7cm ny ateviny, tsy andehanan'ny fiara na atao parking (asiana vy raha hisy fiara andeha lava eo amboniny)

Béton de propreté tsy misy vy izany no ampiasaina.

Tadidio fa ny vato na vatokely dia mahazaka tsindriana zavatra mavesatra (pression), fa tsy mazaka sotonina (traction), tsy mazaka aholana (torsion), ary tsy mazaka tapahana (cisaillement).

Izay no ampidirana vy anaty béton raha hanao poteau ilay mijoro, na anao poutre ilay mibata, valindrihina mitsivalana. Satria ny trano tsofin'ny rivotra mihetsika havia havanana ary aodiny, traction, torsion, cisaillement.

Aza adino fa 21 andro ny béton vao maina, ka aza maika anala ny coffrage na ny tohana mitazona azy, indrindra ny linteau ambony varavarana maika tsindriana ampakarana briky. Avelao 3 andro eo vao tsindrina fa tsy azo esorina ny tohana ambany fa manjary miforitra ny linteau.

Ny dalle ambony rihina kosa dia fadio tateraka ny mampiakatra rihina manaraka alohan'ny 21 andro.

Ny ciment dia manana propriété exothermique, izany hoe mamoaka hafanana izy mandrampaha-mainany, ka ilay rano nafangaro azy iny izany lasa entona. Tsara tondrahana rano izany ilay beton afaka 3 andro eo mandram-pahatapitr'ilay 21 andro. Mihafotsy izy rehefa mihamaina masaka, tondrao rano be isan'andro mba tsy ho vakivaky mifandrirotra satria tsy ampy rano izy manamaina tena. Fohany iny rano io.

Raha tany mafana izany dia tondrao misimisy.

Kajy ny hadiry (volume):

Dosage béton 1-2-3

Raha 3m x 4m= 12m2 izany ny velaran'ny tokotany (Surface)

Raha 7 cm na 0.07m ny ateviny dia

Hadiry (volume)= Velarana x Haavo na hatevina = 12 x 0.07 = 0.84m3

Tadidio fa ny 1m3 dia mitovy amin'ny bidon carré iray fasiana rano ireny 1m ny andaniny (sakany = halavany) ary 1m ny haavony. Mahalany rano 1000l. Milanja 1tonne.

Tapa-barika iray na gamata no iantsoana azy dia 100l

Izany hoe 0.84m3 dia efa akaiky 1m3 na 10 gamata.

Sarotra anaovana famarana ny gamata fa andao ampiasaina ny tapaka bidon jaune 20litres.

20cm na 0.20m eo ny sakany sy halavany ary ny haavony.

Hadiry (volume)= 0.20 x 0.20 x 0.20 = 0.008m3 (8 litres eo satria tsy fenoina be fa manjary very)

Ny hadirin'ny béton vita ilaina 0.84m3

Isan'ny famarana béton vita= 0.84m3 ÷ 0.008 m3= 105 famarana sceau tapaka bidon jaune.

Béton 1-2-3

Aza isaina ny hadirin'ny rano.

Ciment 1

Fasika 2

Vatokely 3

Izany hoe zarao 6 =(1x2×3) ny Isan'ny famarana.

105 ÷ 6 = 17.5

Ciment 1 x 17.5 = 17.5 famarana tapaka bidon jaune

Fasika izany 2 x 17.5 = 35 famarana

Vatokely 3 x 17.5 = 52.5 famarana

(Ciment 17.5 famarana + Fasika 35 famarana + Vatokely 52.5 famarana = 105 famarana tapaka bidon jaune)

Ny 1 sac ciment 50kg eo amin'ny 6 famarana tapaka bidon jaune eo.

Fatra ilaina vidiana:

Raha 0.84m3 no béton vita ilaina

0.84 ÷ 6 ilay dosage(1×2×3) = 0.14

Fampatsiahivana 1m3= 1000 litres = 1000 kg raha rano, fa 2 800kg raha ciment.

- Ciment 1 x 0.14 = 0.14 m3 = 140 litres= 3 sacs ( 0.05m3 eo ny 1 sac ciment 50kg na 50litres eo), azo kajiana tamin'ilay famarana ihany koa. Hitatsika tery ambony fa mila ciment 17.5 famarana tapaka bidon jaune, nefa ny 1 sac ciment 50kg dia in-6 famarana, izany hoe mila 3 sacs ciment izany.

- Fasika 2 x 0.14 = 0.28 m3 = 280 litres= 3 gamanta (Tapaka barika menaka 200l)

- Vatokely 3 x 0.14= 0.42 m3 = 420 litres = 5 gamata na atsasaka m3.

(Ciment 0.14m3 + Fasika 0.28m3 + Vatokely 0.42m3 = 0.84m3 béton).

Tandremo fa mandainga ny camion mpitaona.

Ireny camion be mahazaka 5tonnes ireny lazainy 5m3 ary ny mazda kely benne ireny lazainy 3m3 fa tsy ampy an'izany ireny.

Satria ny 1m3 fasika lena dia eo amin'ny 1.4-1.7 tonnes, ka raha mahazaka 5tonnes ny camion dia eo amin'ny 3m3 eo ihany izany. Raha mazda kely 3tonnes ireny dia 1.7 - 2m3 eo izany ny fasika lena entiny.

Raha betsaka ny asa atao ka tsy miova fiara mpanatitra dia aza misalasala mandrefy ny hadirin'ny benne (sakany anatiny x halavany x haavony).

Kajy tsotsotra ahitanao ny isan'ny ciment ilaina, raha béton dia 1 sac 50kg ciment mahavita 0.143m3 béton (Dosage 350kg ciment/m3 béton)

Ohatra hanao tohatra:

Kajikajio raha 17cm ny haavon'ny marche iray, izay no norme mba tsy hianjera, dia 20cm hatramin'ny fanambaniny izany. Raha 20cm sakan'ny tohatra ary 1m ny habean'ny tohatra dia 0.20 x 0.20 x 1m = 0.04m3 no ilaina isaky ny zana-tohatra.

Ka raha misy 10 marches izany ny tohatra dia 0.04 x 10 = 0.400 m3 no béton ilaina. Raha tiana ho mafy tsara dia atao dosage 350 (350kg ciment pour 1m3 béton) manome 0.400m3 x 350kg = 140 kg ciment, dia ciment 3 sacs de 50kg eo dia ampy.
Asiana réserve kely foana. Ciment 4 sacs izany no vidiana mahavita tohatra hatramin'ny mandalotra azy.

Rehefa atao ny kajy dia ny béton aza no mora noho ny hazo na tafo fanitso. Sady mafy maharitra 30 taona raha kely indrindra no mbola azo anaovana terrasse.

Ho an'ny teknisianina dia misy filaza an'io dosage io

Dosage fampiasa:

Dosage 250 : béton de propreté

Dosage 300 : dalle piétonne, terrasse, allée de jardin, semelle de fondation

Dosage 350 : dalle carrossable, semelle de fondation, poteau

Dosage 400 : ouvrage en béton armé

Izany hoe Dosage béton à 350kg/m3

Na raha mila béton vita 1m3 dia:
350 kg de ciment
500 litres fasika maina
700 litres vatokely
175 litres rano

Toa mihoatra ny 1000l na 1m3 hoy isika ny fitambarany izany? Aza adino fa rehefa maina ny béton, dia tsy eo intsony ny rano, ny ciment hiraikitra, ny vato misy lavadavaka ho fenoin'ny fasika eny anelanelany rehetra eny.

Mirary soa e.
Patrick

16/05/2020
25/03/2020

👉 Fepetra entitra no ampiarina eo am-pidirana ny trano, fa tena saro-pady ny fitandremana tsy hitondràna tsimokaretina aao an-tokan-trano, izay tena fialofana ara-bakiteny ankehitriny.

18/01/2020

In Brazil,
A couple planted 2 million trees in 20 years to recreate a forest. 🌳🌲🌿🍃💚

Address

Antananarivo
102

Telephone

+261348304299

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Astuce.com posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share