03/06/2026
🏗️ FA MANINONA MOA NO TOKONY HAKA SY HANAO TARATASY FIFANARAHANA ARA-DALANA AMIN'NY "TECHNICIEN NA INGÉNIEUR NA ENTREPRENEUR" IRAY REHEFA MANANA VINAVINA HANANGANA TRANO NY MPANJIFA NA OLONA IRAY
Faly aho mampafantatra anareo rehetra fa Kenovah no anaraka ary "technicien en bâtiment" no tena asako ary afaka manampy anareo amin'ny asa fananganana trano rehetra aho ho an'izay mila toro-hevitra.
🏠 Na hanangana trano hipetrahana, na trano hampanofana, na karazana trano hafa, dia tsara hatrany ny miara-miasa amin’ny olona matihanina sy olona mahafeno fepetra toa anay.
📌 Satria ny "Technicien na Ingénieur na entrepreneur" iray dia afaka manome antoka 100% fa tsara kokoa ny kalitao, ny tanjaka ary ny faharetan’ny tranonao mpanjifa raha hanangana trano aty aminay ianareo.
🏢💪 Izy ireo no manana fahalalana ara-teknika ahafahana manamarina fa mifanaraka amin’ny fenitra sy ny fitsipika ny fanorenana.
📌 Satria ihany koa afaka manome antoka ara-taratasy sy ara-dalàna ho anareo izy ireo.
📑✅ Izany dia manampy amin’ny fiarovana ny volanao sy ny tetikasanao, ary mampihena ny loza mety hitranga amin’ny asa tsy vita na tsy manara-penitra.
📌 Satria raha misy tsy fanarahan-dalàna na tsy fanajana ny fifanarahana, dia manana zo hitaky fanazavana sy hitory araka ny lalàna ny mpanjifa iray.
⚖️🤝 Ny fifanarahana sy ny antontan-taratasy ara-dalàna dia manampy amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny andaniny sy ny ankilany.
✅ Ny fananganana trano miaraka amin’ny olona matihanina dia antoka ho an’ny filaminana, ny kalitao ary ny faharetan’ny fanananao🏗️🏡
🚫 Aza atao kisendrasendra ny fanorenana trano. ✔️ Mifidiana olona matihanina sy olona mahay sy azo itokisana mba hahazoana vokatra tsara sy maharitra ho an'ny asanao
━━━━━━━━━━━━━━━
🏢 BatiPro Construction dia manome toky anao hatrany fa tsy diso lalana ianao raha hisafidy hiara-hiasa aminay.
📞 WhatsApp: +261 32 99 230 10
🔹 Ny kalitao sy ny fahatokisana no antoky ny fanorenana maharitra. 🏗️✨