29/01/2026
๐ ๐
๐ข๐จ๐ฆ๐ฉ๐ข๐๐ง๐ ๐๐ค๐จ๐ก๐จ ๐ ๐๐๐ : ๐ญ๐ซ๐๐ข๐ค๐๐๐ ๐ฏ๐จ๐๐ฅ๐จ๐ก๐๐ง๐ฒ ๐ง๐๐ง๐๐ง๐ ๐๐ง๐ ๐๐งโ๐ข ๐๐๐ก๐-๐
๐ข๐ก๐๐ซ๐ฒ ๐ฑ
Ny asa voalohany nataonโi Mara DAUPHIN, mpanorina ny Saha-Fihary, dia ny fiompiana akoho 4 750 ๐Taminโny 2015, tokantrano 190 no nizarana akoho 25 isaky ny tokantrano, taminโny alalanโny tetikasa iray teto Toamasina.
Nisy :
โ sakafo maimaim-poana nandritra ny 6 volana,
โ fanaraha-maso akaiky,
โ ary fanampiana taminโny famarotana ny vokatra.
Na teo aza izany rehetra izany, dia nisy lesona lehibe tsy maintsy ianarana โ lesona momba ny toe-tsaina sy ny maha-Pro ๐ก
1๏ธโฃ Ny fiompiana dia mitaky faharetana BE โณ
Tsy mivoaka avy hatrany ny vokatra. Niandry herinandro maromaro vao nanomboka nanatody ny akoho.
Nisy anefa ireo tsy naharitra :
โ nitady vola haingana,
โ namarotra na nihinana ny akoho aloha loatra,
โ indrindra taminโny fotoananโny fety (26 Jona ๐).
๐ Izay maika dia matetika very lavitra.
2๏ธโฃ Taratry ny fiainantsika ny fiompiana ataontsika ๐ง
Ho anโny sasany, tsy zava-dehibe ny fanadiovana ny tranonโakoho.
Nisy aza nilaza hoe :
โAhoana no hanadiovako ny poulailler, nefa ny tranoko aza tsy madio ?โ
Kanefa aminโny fiompiana โ ny fahadiovana no fototra ๐งผ
๐ Ny fandaminana any an-trano dia hita taratra any an-tranonโakoho.
3๏ธโฃ Mila mitsinjo lavitra sy mahay mitantana vola ๐ฐ
Nandritra ny 6 volana, nisy vola niditra isanโandro.
Saingy ho anโny maro, lany avokoa izany.
Tsy nisy tahiry natao ho anโny :
โ fividianana sakafo rehefa tapitra ny fanohanana,
โ na ho anโny fanitarana ny asa.
๐ Ny vola tsy voafehy androany, no manakana ny ho avy rahampitso.