Distributeur Exclusif Ciment FOSA Madagascar

Distributeur Exclusif Ciment FOSA Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Distributeur Exclusif Ciment FOSA Madagascar, Construction Company, Toamasina.

18/09/2020
Misafidy ny tsara,Misafidy ny mora sady mafy"Azo ianteherana, ary manamora fanorenana"
14/09/2020

Misafidy ny tsara,
Misafidy ny mora sady mafy
"Azo ianteherana, ary manamora fanorenana"

12/09/2020

MIRARY WEEK-END mahafinaritra ho anao ny ekipa rehetra ato amin'ny Distributeur Ciment FOSA.

Mety mahasoa anao: Inona no antsoina hoe béton arméEfa hitatsika teto ny resaka dosage ciment. (Ery ambany ny rohy)(Soma...
03/09/2020

Mety mahasoa anao: Inona no antsoina hoe béton armé

Efa hitatsika teto ny resaka dosage ciment. (Ery ambany ny rohy)
(Somary lava izy ity fa nohezahina nofintinina, ataovy copie collé amin'ny bloc note, dia azo hiverenana tsikelikely raha tsy zaka indray mamaky).

Tsy hiresaka fanamboarana barazy, na lalana na tetezana izany isika eto. Aleo izay ho an'ireo matihanina momba izany. Fa aroso eto izy ity ahafahantsika manara-maso ny asan'ireo maçon ampiasaintsika, na anombanantsika ny devis aroson'izy ireo.

Fa raha tsiahivana kely, ny ciment, raha tsotsorina, dia lakôly mampitambatra biriky na vato na fasika.

Misy karazany roa ny béton, ao ny tsotra tsy misy vy ao anatiny, béton de forme na béton de propreté, ary ao kosa ny misy vy na béton armé, ilay vy izany no antsoina hoe armature.

Ny béton dia vatokely no atambatra, ary ny fasika no manetsina ny lavadavaka anelanelan'ny vato, ary ny ciment no misisika anelanelan'ny fasika madinika.

Midika izany fa ny vatokely no betsaka, avy eo ny fasika izay vatokely manify ihany koa, izay vao ny ciment, madinika kely ny grain.

Misy ciment natokana fanaovana béton, misy mampiasa ny ciment fandalorana anaovana béton satria mora kokoa ny ciment fandalorana. Raha zavatra tsotsotra no atao dia tsy dia misy olana izay, fa raha hanao poteau na poutre na dalle dia aleo mampiasa hatrany izay ciment voalazan'ny mpanamboatra azy.

Fatrany na dosage:

Mitovy ny dosage béton tsy misy vy sy ny misy vy amin'ny ankapobeny.

Mora itadidiana azy dia 1-2-3

Ciment 1 famarana

Fasika 2 famarana

Vatokely 3 famarana

Tadidio foana ny granulométrie, izany hoe ny grain vaventy no atambatra tsetseman'ny grain madinika.

Ka ny vatokely atambatra izany no in-3 famarana, tsetseman'ny fasika in-2 famarana ary atambatry ny lakoly ciment 1 famarana. Ny rano 1/3 famarana.

Raha be loatra izany ny ciment dia vakivaky io béton io, sady lany vola satria lafo ny ciment.

Inona ary no antsoina hoe béton armé?

Amin'ny maha armé azy izay, dia misy armature na hery ambony fiarovana na fanamafisana izy izany. Ny antsoina hoe armature dia rafetina vy izany ao anatin'ilay béton hanamafy azy.

Ny vato dia mahazaka tsindriana zavatra mavesatra (pression), fa tsy mahazaka sotonina (traction), tsy mahazaka aholana (torsion), ary tsy mahazaka tapahana (cisaillement).

Izay no ampidirana vy anaty béton raha hanao poteau ilay mijoro, na anao poutre ilay mibata valindrihina mitsivalana. Satria ny trano tsofin'ny rivotra mihetsika havia havanana ary ahodiny, traction, torsion, cisaillement.

Aza adino fa 21 andro ny béton vao maina, ary mila tondrahana rano hatrany mandram-pahamainany.

1- Fondation na fototra

Matetika somary malemy ny tany anorenana, na mety atahorana hihetsika any aoriana.

Tadidio fa mavesatra ny trano, ny biriky tanimanga iray 9-11cm ny sakany, ary 20-22cm ny halavany, dia milanja 1.5kg eo, ny trano mur 22 (na 22cm ny hateviny), izany hoe matevina biriky 2 mitsivalana, dia misy biriky 100 eo no mahavita 1m², izany hoe biriky 100 isaky ny 1m miakatra.

Raha trano 10m ny Halavany ary 5m ny Sakany, dia 10 + 5 + 10 + 5 = 30m izany ny halavany manodidina. Ka raha 3m ny Haavon'ny trano, tsy isaintsika ny varavarana sy varavaran-kely satria misy ireo biriky tapaka sy simba, dia ny isan'ny biriky indray miakatra 1m manodidina izany dia 30m x 100 = 3 000 biriky, ary ny isany raha miakatra 3m dia 3 000 x 3= 9 000 biriky.

Izany hoe io trano io dia hilanja 9 000 x 1.5kg = 13 500kg na 13.500 tonnes. Tsy ao anatiny ny vesatry ny rihitra sy ny lalotra ary ny tafo sy ny hazo ary ny varavarana. Tsy latsaka izany ny 20tonnes ny rindrin'io trano io, miampy ny vesatry béton amin'ny ny dalle, poteau, poutre.

Io vesatra io izany no manindry ny fototra ka zarazaraina manodidina.

Afaka alaintsika an-tsaina ny la farine ao anaty bocal iray, arotsakatsika tsotra izy dia malaky feno misavovona ny la farine tsy omby ilay bocal, dia somary domintsika ny fanambanin'ilay bocal dia milatsaka sy mifitsaka ilay la farine dia misy toerana mbola ampidiratsika ilay la farine tsy omby teo.

Inona no nitranga teo?

Misy ny granulométrie hoy isika, izany hoe ny singa miaraka dia misy elanelana eo amin'ireo singa ireo, ka rehefa domina izany ny bocal dia maka toerana mameno ireo banga ny singa aty ambony dia mifatratra ilay la farine.

Toy izay koa ny fototra, rehefa adianao izy dia toa mafy ny fahitana hivelany, fa rehefa voatsindry sy matetika voadoana izy dia maka toerana, na vaky dia entiny midina izany ny faritry ny trano mitaingina eo amboniny, ka mazava ho azy fa mitriatra ny rindrina tandrify izany, satria ny rindrina eo ankilany tsy mihetsika fa izy no mavesatra manaraka ilay fototra niletaka.

Tandremana mafy izany ny fototry ny trano amoron-dalana andalovan'ny fiara vaventy matetika.

Tsara izany ny fototra, atao mahazo alalina tany mafy, ary totoina mihitsy, tondrahana rano kely, hitondra ireo grain madinika hanentsina ny masomason'ny grain vaventy.

Ny azo antoka anefa dia manao fondation béton armé eo ambonin'ilay tany efa voatoto, satria ny béton armé dia afaka mizaka ny vesatry ny trano eo amboniny, ka na mety misy azy somary milatsaka ao ambaniny, dia izy mihenjana eto ambony tsy mihetsika ny fototra.

Raha misy ny horohoron-tany, dia aza adino ilay la farine tsika nahozongozona iny dia mihetsika daholo ny trano ary mahatonga ny trano hirodana.

Miankina amin'ny habehan'ny trano izany, fa amin'ny ankapobeny, dia atao 50cm eo ny sakan'ny fototra, ary atao 50cm-100cm (1m) eo ny alaliny. Atao marindrano tsara, mba hijoro tsara ny trano eo amboniny fa tsy hivilana.

Nahoana no atao lalina ny fototra?

Ao aloha no ahitana tany mafy hitoeran'ny trano satria ny trano dia hiray hina tanteraka ka raha tsy mitombona tsara izy dia hiaraka hirona hikodia raha tsofin'ny rivotra.

Ataovy antsaina ny sprinter be entana eo ambony, fa tratran'ny ballottage rehefa mihilana miditra tournant dia mitsingidina entin'ny vesatry ny entana taotaoviny ery ambony dia mivadika. Toy izany koa ny trano, indrindra fa kely ny sakany nefa avo izy, tsofin'ny rivotra dia mitsingidina, ka ny fototra lalina aty ambany izany dia manohana azy tsy hihetsika na misy aza hetsika eo ambony.

Ny trano dia miaina, mihetsika, élastique, mandeha dia miverina, ka mila mahazaka an'izay izany ireo fitaovana ampiasaina, ka ny vy dia natao amin'izay, azo sitonina dia miverina.
Ny fer rond torsadé na fer à béton izany no matetika ampiasaina, izany hoe vy efa naholakolana ka rehefa sedraina izy dia miverina maka toerana, no tsy malama koa izy, ka tsy atahorana hitsoaka raha voasitona ao anaty béton.

Arakaraky ny hery ampiasaiana aminy izany no maha lehibe ny vy ilaina.

Inona no vy fampiasa fondation na fototra?

Raha 50cm ny sakan'ny fototra, dia maka fer rond 10 na 12 (izany hoe 10mm ny diamètre) raha trano misy rihana (matetika vy Turquie no mafy, ilay mainty efa miolakolana ireny, fa betsaka koa ny tsara hafa, fa io no fahita eto amintsika).

Atao 3 mitandavana, izany hoe ny 2 amin'ny andaniny sy ankilany amin'ny sisiny, miala 5cm avy amin'ny sisin'ny fototra, dia ny 1 afovoany, mielanelana 20cm amin'ilay vy 2 amin'ny andaniny sy ankilany.

Dia maka fer 8, tapatapahana 45cm, izany hoe misy 2.5cm avy amin'ny andaniny sy ankilan'ny sisin'ny fototra, iny no antsoina hoe enrobage, izany hoe asiana ambiny kely foana ny béton tsy asiana vy, ny antony dia arovana ny vy tsy hipoitra ety ivelan'ny béton, satria tratran'ny arafesenina izy raha misy mitranga, dia hihitatra izany arafesenina izany amin'ny rehetra. Mety hirehitra ny trano, dia atao tsy tratran'ny afo ny vy satria mahamay dia mampita hafanana dia hitresaka vetivety ilay béton na dalle na poteau dia malaky mirodana ny trano may.

Mila tandremana izany io enrobage io tsy ho lavitra loatra ka ho tapaka ilay béton tsy misy vy, nefa tsy atao amotony kely koa iarovana ny vy tsy ho simba.

Atao mitsivalana matetika eo ambonin'ilay fer 10 mitandavana isaky ny 20cm eo izany ilay fer 8, izany hoe mahazo maille 20cm x 20cm any izany isika ao anaty fondation.

Tsy apetraka ambony tany izy izany fa asiana kaly kely eo ambaniny, vato kely ampiasaina atao kaly, 2.5cm eo ilay enrobage, ka hisy béton izany ao ambaniny, ary voafono ao ny vy, fa tsy hianjaka eo amin'ny tany. Fatorana tsirairay ny vy amin'ny fil recuit, izany hoe fil vy efa natokana amin'izany, mafy sy tsy mora simba (Fil riky hoy ireo maçon).

Raha matevina toy ny fondation izany ny béton, dia atao any ambany izany ny vy fa tsy aty ambony, satria ny vesatra aty ambony, dia ny fanambaniny izany no hienjana, flexion, izay ny vy no hisedra azy ka hisintona ny béton tsy ho tapaka, ny aty ambony kosa lasa compression, izay ny béton no mazaka tsindriana.

Aza mitsitsy be loatra, ka hoe asiana elanelany ny famatorana ireo vy.

Ny antony amatorana azy, dia mba tsy hihetsika aloha izy, fa ny force de pression dia misy onde mifampiampita, ka raha tsy mifampikasoka ireo samy vy dia tsy miampita ilay onde, ka ilay vy hiantraikan'ny onde be indrindra no mizaka ilay hery ka tsy mitsinjara amin'ireo vy hafa, dia mety tapaka ilay vy satria izy irery no mibaby ny vesatra.

Izay no mahatonga rehefa manao poteau raha mbola hakarina rihana, dia asiana fer de garde, na ilay vy 50cm mbola atao ambiny ery ambony mitranga, iny hanohizana ny vy poteau manaraka, dia ampifamatorana ireo, hampitohy ny onde, sy hamikiran'ny rihina manaraka amin'ny fondation any amin'ny farany ambany. Ka dia aza miovaova toerana asiana poteau izany ny any ambony, fa ampifandraiso amin'ny poteau niainga avy any amin'ny fototra hatrany, izay hitsinjara izay onde sy pression izay amin'ny fototra rehetra ka anary izany amin'ny tany, toy ny courant.

Jereo fa rehefa misy camion mandalo, vao avy alavitra izy dia henotsika mihovotrovitra ilay tany, satria ilay onde naterany no tonga alohany.

Ny horohoron-tany, ny alika no maheno azy mialoha ka mivovo mafy, satria efa henony ny onde tonga, fa ny fihovitrovitry ny tany sisa no henontsika.
Izay no amatorana tsara ireo vy rehetra hifandray.

Misy manao armature bambou, toy ireny trano gasy ireny, na ny rindrina, na ny rihina, mitovy ihany ny fepetra, fa ny heriny sy tanjany samihafa. Latsaka efa ho 1/3 ny tanjaky ny béton armé vy, ny tanjaky ny armature bambou sy rihitra tany.

Ataovy 30cm eo izany ny tevin'ny béton arotsaka ao anaty fototra.

Fikajiana ny hadirin'ny béton ilaina:

Raha 30m manodidina ny halavan'ny fototra, tsy nataotsika anatiny ny fototra amin'ny séparation efitry ny trano, fa anjaranao no mijery ny antsipirihany, 50cm ny sakan'ny fototra, ary 30cm ny haavon'ny na tevin'ny béton.

Hadiry béton vita ilaina = 30m x 0.5m x 0.3m = 4.5m3 na 5m3 eo izany ny béton ilaina.

Tsiahivina

Dosage béton à 350kg/m3

Raha mila béton vita 1m3 dia:
350 kg de ciment
500 litres fasika maina
700 litres vatokely
175 litres rano

Ka raha 5m3 izany no ilaina, dia
350 kg x 5 = 1 750 kg de ciment na 35 sacs ciment de 50kg
500 litres fasika maina x 5 = 2 500 litres na 2.5m3
700 litres vatokely x 5 = 3 500 litres na 3.5m3
175 litres rano x 5 = 875 litres ( na 1m3 any, tsy atao be rano be ny fototra)

(Tandremo foana hoy aho fa tsy marina ny fatra lazain'ny mpitatitra fasika sy vatokely). Mazda kely ireny lazainy fa 3m3 nefa 2m3 latsaka aza no tena zakany. Refeso ilay benne safovavany camion, Hadiry= Sakany x Halavany x Haavo misy fasika.

Andrasana ho maimaina izy, tondrahana hatrany ny béton afaka 2 na 3 andro eo, raha tany mafana dia vao manopy fotsy ny béton dia efa asio rano eo amboniny, tsy maninona na rano betsabetsaka.

Rehefa heno efa mafy izy, dia azo tsindriana avy hatrany tsy hiandry ilay 21 andro satria izy mitehana amin'ny tany tsy atahorana ho tapaka na dia mbola tsy maina tanteraka aza.

Rafetina eo amboniny ny vato, indroa na intelo miakatra ambonin'ilay lavaka misy ny fototra, atao 40 cm eo ny sakany, na vato 20cm x 20 cm milahatra roa, misy manao blocage, na vato ngeza tsy mitovy refy no asiana béton indray mameno ny banga, tsy dia tia an'iny aho aloha satria mety hipasaka ihany iny, fa raha trano tsy misy rihana tsy dia olana loatra.

Matetika any amin'ny Faritany tsy mahita moellon granita tsara efa voatetika mahitsy, fa vato fotsy no betsaka, ireny anefa somary malemy ka mila fitandremana.

Aza mampiasa vaton-dranomasina fa misy sira, ka rehefa miala ny sira, entin'ny rano dia tavela lavadavaka ny fototra. Ny fasika tandremo tsy fasi-dranomasiana.

Akarina eo ambonin'ny vato efa mitranga 20-30cm ivelan'ny fototra amin'izay ny biriky, na tanimanga na parpaing. Raha faritany mando sy avy orana lava, dia akaro ambonimbony ilay vato fondation satria ny biriky lanin'ny riaka manodidina ny trano.

Totofy tany ny fondation hiarovana azy.

2- Poteau

Ny trano dia mihetsika, na tsofin'ny rivotra, na vokatry ny olona mivezivezy mihetsika ao anatiny, na vokatry ny horohoron-tany. Rehefa Echelle Richter 5 ny horohoron-tany, dia mahavita mampaneno lakolosim-piangonana, mananjera tableau miantona na entana ambony latabatra.

Miozongozona izany ny trano.

Ny biriky hisaraka, ny béton tsy misy vy ho tapaka, ka mila poteau izany isika hampijaridina ny trano, ary hizaka ny vesatra avy eny ambony, ary tsy ampikisaka ny trano hiala ny fototra.

Izy izany no hibaby sy hamikotra ny fironan'ny trano havia havana, izy koa no hitazona ny ballottage, toy ilay sprinter miditra tournant mihilana iny, dia ilay poteau avy ato ankavia no misintona ny trano tsy hirona ankavanana (Traction), ary ilay ao ankavanana voatsindry ary manosika miankavia tsy hivarinany (Compression).

Mety hisy tafiodrivotra miodina manodidina ny trano, toy ny tandrimo, dia ny poteau koa izany no mamikotra tsy ampihodina ny trano.

Ny Poteau izany dia atao amin'ny zorony 4 amin'ny trano. Raha be ny halavan'ny trano, dia asiana poteau lehibe ny zorony 4, ary elanelanina poteau 1 isaky ny 4m eo, izany hoe isaky ny misy efitra na séparation dia asiana poteau hatrany.

Raha tamboho vita amin'ny biriky manana Haavo 3m, dia asiana poteau isaky ny 4-5m, ary tsindriana ceinture manodidina eo amboniny hapiray hina ny tamboho rehetra manodidina.

Ny poteau iray raha trano lehibe na hitondra rihina dia atao 30x30 cm eo ny habehany, fa raha trano kelikely dia 20x20 cm eo dia ampy.

Ny Charge na ny vesatra eo ambony, raha mitondra rihina izy, dia hifampizara amin'ireo poteau 4 eo ambany ireo, ka raha milanja 40tonnes ny vesatra eo amboniny, dia samy hibaby 10tonnes isaky ny poteau izany. Ny rindrina biriky ato ambany mety hitondra kely ihany fa aleo tsy mikajy an'izay.

Ny rindrina manko dia takokenatra fotsiny no asany, ka izay no mahatonga ireny trano, ny poteau sy ny poutre aloa no ajorony aloha, na ny ossature (os = taolana mitondra), izay vao fenoina rindrina ny banga, ka na placo-plâtre na fitaratra na rindrina maivana izany no atao dia tsy mihetsika ny trano.

Ny poteau dia asiana vy 4 mitsangana ao anatiny, ary fatorana atambatra amin'ny étrier ireo vy 4 ireo. Arakaraky ny poteau ilaina, raha lehibe ny poteau dia atao 6 ny vy, na atao 2 ihany raha poteau hitondra fotsiny ny tolanam-baravarana, dia épingle, na tapaka étrier izany no ampifandray ilay vy 2 mitsangana.

Afatotra amin'ny fil recuit hatrany izy.

Maka fer 10 izany asiana faraingo mifandray amin'ny vy ao amin'ny fondation. Rehefa manao fondation izany, na avy dia ilay vy poteau no miaraka alevina amin'ilay béton fondation, na asiana fer de garde 50cm miala amin'ny tevin'ny béton fondation, dia iny no tohizana amin'ny armature n'ny poteau zorony 4.

Aza adino hatrany ny enrobage, raha 20x20 cm ny habehan'ny poteau, dia asiana 1.5cm ny enrobage, ka 17cm eo izany ny elanelan'ny vy 4 manodidina, dia ny étrier izany, fer 6 mamatotra mampitambatra ireo vy 4 mitsangana ireo. Elanelanina 15-20cm eo io étrier io.

Ny asan'ny étrier, dia tsy ampisaraka ny fer mijoro ao anaty poteau, sy tsy ahatapaka ny poteau (Cisaillement).

Raha poteau 35 x 35cm dia any amin'ny 3cm ny enrobage.

Ahoana ny fikajiana ny halavan'ny vy?

Ny vy iray dia 12m matetika ny halavany amidy eny amin'ny mpivarotra. Fa ny marina latsak'izany hatrany ny refiny, satria tsy omby conteneur dia tapahandreo latsaka, any amin'ny 11.75m any izy matetika, ka tandremo diso refy.

Poteau 1, ho an'ny trano manana haavo 3 m, raha niainga tamin'ny fototra 50cm ny halaliny, dia mila vy 4m izany, izany hoe 0.5cm anaty fototra, 3m haavon'ny trano, ary 0.5cm fer de garde hanohy ny rihina ambony. Mbola kajio fa ampakana fototra miaraka amin'ny vy tablier ao ambany amin'ny fototra izy, dia mety 0.50cm eo no aforitra hitehenany ao ambany, izany hoe 4.50m izany ny halavan'ny vy iray ka 4.50m efatra (4) izany no ilaina amin'ny poteau 1.

Fadio ny mampitohy vy anaty poteau, satria tsy ampy tsy lany amin'ny poteau 1 izany ny fer 11.75m novodiana. Misy ampiasana azy amin'ny zavatra hafa hatrany ny ambim-by, mahaiza mikajy ireo ambim-by izany, fa tsy tapatapahana fotsiny ny vy. Ny mpiasa tsy te halala fa ramora manana, ka izay vy hitany eo dia tapahany anamora ny fiainany, dia be vy tapatapaka eo ianao izany.

Matetika miforitra roa io vy io eny amin'ny mpivarotra, dia kamo amelatra vy ny mpiasa, dia tapahany ny ilan'ny vy, dia tapahany indray ilay ilany iray, dia tsy ampy halava ilay vy ambiny avy eo.

Ny poteau béton armé 20x20 cm, fer 10 efatra (4) mitsangana, miaraka amin'ny étrier na cadre fer 6 mielanelana isaky ny 15cm amin'ny haavo 3m, dia mahazaka vesatra 29 000kg na 29 tonnes.

Izany hoe ireo poteau 4 izany dia afaka mibaby vesatra 29 tonnes x 4 = 116 tonnes, aleo maka marge foana, ka 100Tonnes ihany no atao kajy.

2- Poutre

Ny Poutre dia natao hilanja ny valindrihana na dalle na plafond na tafo, sady natao amatorana ireo poteau 4 amin'ny zorony tsy hianjera, sady ceinture izy izany. Toy ny fehikibo hitazona ny pataloha hamikitra tsara amin'ny vatana, ka na vesaran'ny kibo avy eo ambony aza ny pataloha dia tsy mibotsina.

Ny ceinture izany dia atao ery ambony manodidina ny poteau ery amin'ny 3m ambony, sady amatotra ireo poteau no hilanja ny dalle na ny rindrina eo amin'ny rihina na étage manaraka, na hitondra ny tafo raha avy dia mifarana eo ny trano.

Raha manao trano avo be 5m ohatra, dia manisy double ceinture eo amin'ny 2.5m sy ery ambony 5m mba tsy hibotsina ka hipoaka ny trano.

Mitovitovy amin'ny poteau teo ihany ny vy ampiasaina fa izy mitsivalana fotsiny fa tsy mitsangana. 20x20 cm ny habehany. Isaky ny 4m kosa dia tokony hisy poteau ao ambaniny mba tsy hapiletaka azy.

Raha salon somary lehibe nefa tsy tiana asiana poteau eo afovoan-trano dia ampitomboina ny habehany 20x30 cm na 30x40 cm ka ilay lava kokoa no atao tavany, izany hoe 20cm sakany, 30 haavony, dia ampitomboy koa izany ny habehan'ny poteau hibaby azy.

Aza adino fa ny béton armé dia 3000 kg/m3 eo no lanjany ka ny poutre iray 30x40 cm amin'ny halavany 6m dia hilanja 0.30 x 0.40 x 6m = 0.72m3 x 3 000kg = 2.160 tonnes. (Lanjana fiara iray izany no miantona eny), ny poteau mizaka 29tonnes isanisany.

3- Dalle

Ny antsoina hoe dalle dia ilay béton armé fanambanin'ny rihina, na gorodona izy raha hazo.

Rafetina ny coffrage hazo hitaty ny béton mandram-pahamainany.
Asio ambiny kely tsy harotsaka daholo ilay 3m poteau mba hamikiran'ilay poutre izay miaraka arotsaka amin'ilay dalle mba hiray hina izy.

Raha misy tohatra béton atao, dia miaraka arotsaka amin'io dalle io koa ny tohatra mba tsy hisaraka, ampifandraisina avokoa ny vy efatra mba hampitampita ny onde, toy ny courant, dia samy miaraka mizaka ny vesatra ny rehetra.

Matetika dia 4 x4 m eo ny velarana dalle dia elanelanina poutre avy ao ambany mibaby azy, tsy ampitolefika azy, ary misy poteau avy ao ambany mitaty ny poutre tsy hiforitra.

7-10 cm eo ny tevin'ny béton asiana vy fer 10 milahatra isaky ny 20cm, ary fer 8 mitsivalanana, ka manome carreau 20x20 cm, afatotra tsirairay amin'ny fil recuit, ny fer 10 no atao ambany amin'ny halavany faran'izay lava amin'ny trano, ny fer 8 kosa no atao manaraka ny sakan'ny trano. Satria ilay halavan'ny trano no mila vy matevina kokoa.

Azo ampifanohizana ny vy amin'ny dalle raha tsy ampy refy, tsara kokoa ilay fer 10 ambany raha mitandavana tsy tapaka fa eo amin'ny poutre no hitohizany.

Rehefa vita ny béton, dia andrasana feno ny 21 andro vao tsindriana ny dalle, tondrao rano hatrany izy, mety manahirana ilay manondraka azy raha lehibe ny trano, fa mividiana tuyau afaka mitifitra alavitra.

4 - Fikajiana ny isan'ny vy ilaina

a- Poteau na poutre

Raha poteau 20x20 cm amin'ny 3m
Mila vy mitsangana 3.5m efatra (4) izany hatramin'ny fer de garde ery ambony
Ny vy 11.75m, ka vy 3 izany no ampy azy (3.5m x 3 = 10.50m) misy ambiny 1.25m ny barre vy iray, izany hoe barre vy 6 izany no mahavita poteau 4, ny barre 4 anamboarana telo telo avy amin'ny poteau, ary ilay barre 2 no zaraina amenoana ilay vy 4 ambiny.

Tandremo mikafiry ka atao fohy ila ny vy n'ny poteau. Misy ampiasana azy hatrany ny ambim-by, aza misy ariana na dia 20cm aza, mbola azo anaovana burin ireny, na anaovana tanakelin'ny poutre.

Angony anaty sac ciment ny vy, fa ny mpiasa tsy mivaky loha amin'izany.

b- Etrier

Fer 6 no fanaovana étrier na cadre.

Azo atao boribory izy raha ohatra maka buse isika ka sesefana béton armé anaovana tongon-davarangana, ahatsara ny endriny, asio vy hatrany fa tsy asesika béton fotsiny ny buse.

Azo atao coffrage tenany koa ny biriky tanimanga, rafetina 35x35 cm manodidina izy, dia asiana béton armé ao anatiny dia atao tongon-davarangana. Na rafetina aloha ny béton vao fonosina amin'ny haingo tiana anaovana azy. Mahatsara ilay izy no atao coffrage tenany dia miray hina ilay béton sy ilay fonony, ka tsy misy poakaty anatiny.

Raha poteau 20x20 cm, dia misy ny enrobage 1.5cm andaniny sy ankilany izany ny ametrahana ny vy ka hielanelana 17cm izany isaky ny vy. Ka ny halavany manodidina izany dia 17 x 4 = 68cm miampy ny faraingo 3cm avy, dia 68 + 6 = 72cm eo isaky ny étrier izany no ilaina.

Ny poteau iray dia asiana étrier isaky ny 15-20cm eo ny elanelany.

Izany hoe poteau iray 3m izany dia misy étrier 300cm/15 = 20 isa, fa ny fanambaniny sy ery amin'ny farany ambony tsy misy, satria hifamatotra amin'ny fondation ny aty ambany, ary amin'ny poutre ny ery ambony, dia étrier 18 isaky ny poteau izany no ilaina.

Ka raha 11.75m ny barre vy iray, dia 1175cm/72cm = 16 étriers izany no vitany.

Isika manana poteau 4, izany hoe mila étrier 18 x 4 = 72 étriers = 4.5 barre de fer = barre vy fer 6 miisa 5 izany no ilaina.

Ny fil recuit, dia izy mihorona iny, tapaho veleso amin'ny marteau lehibe hizara 4, dia aforotra roa iny tapatapany iny amatorana azy. Fil recuit 1kg tokony ho ampy.

d- Dalle

Raha 4m x 4m ny carreau iray dia mila vy:

Nisy formule isika mbola naka CEPE:
Ny isan'ny tsatoka= isan'ny elanelana miampy 1

Ka raha 20cm izany ny elanelana, dia 400cm/20 cm + 1 izany ny isan'ny vy mitsivalana = 20 +1 = 21 amin'ny 4m.

Raha trano 10m x 5 m nalaitsika ohatra tery ambony izany, dia barre vy iray lava 11.75m fer 10 no ataotsika amin'ny halavany, ka 500cm/20 cm +1= 25+1 = mila 26 barres izany, misy ambiny kely 2m latsaka avy eo 26, azo anaovana tohatra io, na raha tsy ampy ny fer 8 mitsivalana dia azo ampifanohizana ireo fer 10 ambiny ireo, izany hoe alahatra mifandiso 20cm eo dia fatorana fil recuit eo ambon'ilay fer 10.

Ny fer 8 mitsivalana izany dia 1000cm/20cm +1 = 51 no ilaina.
Barre 1 dia mahavita 1175cm/ 500cm (ialan'ny enrobage 2.5cm x 2) = 2.35, izany hoe barre fer 8 iray mahavita vy mitsivalana 2.

Ka raha 10m ny halavan'ny trano asiana dalle, dia 1000cm/20cm + 1 no ilaina = 51 vy amin'ny 5m, dia 25 barres vy fer 8 izany no ilaina. Azo ampifamenoana eo izy amin'ny ny ambin'ny fer 10.

Izaho manokana aleo mividy fer 8 mitohy, fa ilay ambin'ny fer 10 mirefy 2m mbola azo anaovana linteau varavarana, na varavaran-kely, amin'izay tsara asa hatrany. Tsy misy vy very izany raha hay tsara ny mikajy azy, mbola azo anaovana latabatra lokozia...

Aza adino ny enrobage, tsy mitehana tanteraka amin'ny coffrage sisiny izany ny vy, fa misy 2.5-3 cm miala amin'ny sisiny, aza atao lavitra loatra fa manjary mora tapaka ny molony, indrindra raha manao lavarangana na auvent ambony varavaran-kely.

Ny fatran'ny béton efa noresahantsika ihany fa eto izany dia

Raha 10cm ny tevin'ny dalle, dia mila béton vita 10m x 5m x 0.10 = 5m3 béton izany isika

Mitovy tamin'ny lany nanao ny fondation izany eto

Ka raha 5m3 izany no ilaina, dia
350 kg x 5 = 1 750 kg de ciment na 35 sacs ciment de 50kg
500 litres fasika maina x 5 = 2500 litres na 2.5m3
700 litres vatokely x 5 = 3500 lites na 3.5m3
175 litres rano x 5 = 875 litres

Tsara ho fantatra fa ny dalle dia mahazaka charge uniforme 150kg/m² eo, ary milanja 300kg/m² izy. Izany hoe milanja 500kg/m² izany ny dalle sy ny entana na olona zakainy, ka tonkony hifanaraka amin'izay izany ny poteau mibaby azy, sy ny fondation any ambany.

Olona iray lehilahy milanja moyenne 65kg, ny vehivavy 50kg, ka raha collé collé tsy misy distanciation eo izy roa izany dia efa feno ny 115Kg, raha andihy rock ao ambony rihina ao koa ny ankizy na hanao karaoké dia hitantsika amin'izany fa vetivety dia tratra ny vesatra ilaina (charge utile).

Ny ahafantarana fa mitady hihoatra ny vesatra, dia donina mafy amin'ny tongotra ny dalle, dia maneno, satria misy vy toy ny corde guitare mihenjana mafy ao izany manarina ny vesatra aty ambony.

Aza adino fa mbola eo ny vesatry chape sy ny carreau raha mbola atao carreau ny trano, mbola eo ny entana rehetra.

5- Misy fanontaniana apetraky ny olona matetika

a- Raha tranondrazana misy rihina, ka tiana soloina dalle béton ny gorodona teo aloha dia ahoana?

Ny fototr'ilay trano teo aloha dia tsy nokajiana hitondra vesatry ny béton, matetika ny tranondrazana dia misy poteau tenany vita amin'ny biriky ihany koa, ka aleo manao trano ao anaty trano.

Izany hoe tena manao fototra ao anaty trano manodidina, dia manangana poteau sy poutre mitehana amin'ilay trano gasy teo aloha, ka ny rindrin'ilay trano gasy ihany izany no rindrina fa ny fondation sy ny ossature ary ny poutre sy dalle dia vaovao avokoa.

Tandremana tsara fa ny trano dia samy mihetsika, ka mety mifanosika izany ilay vaovao ao anatiny sy ilay tranainy ety ivelany. Asio fingotra be, na ireny atina pneu camion ireny atao tampon raha misy ny ahiana. Rehefa milalotra iny dia tsy tazana fa toa trano iray ihany.

b- Iza no mora vidy, manao gorodona hazo sa manao dalle béton?

Tsy dia mifanalavitra ny vola lany amin'ireo raha vao nanangana trano, satria ny manatombo amin'ny béton dia ny vidin'ny hazo anaovana coffrage, nefa iny azo averina ampiasaina amin'ny coffrage hafa. Ny faharetany anefa dia manatombo lavitra ny béton, maharitra mihoatra ny 30 taona, nefa ny hazo mety 10taona dia simba na lanin'ny biby.

d- Iza no mora, manao tafo fanitso sa manao tafo béton?

Mitovitovy tamin'ilay resaka gorodona ihany, ny tombony amin'ny béton dia lasa manana terrasse any ambony izany ianao, tandremana tsara anefa ny étanchiété raha atao tafo ny béton satria mitete rano izy raha tsy vita tsara ny ao ambony, betsaka ireo produit toy ny Sikalite, na goudron, fa ny tsara amiko dia carreau ihany, carreau fanao an-tokotany mahazaka ranao sy masoandro, asio pente kely tsy hiandrona ny rano, dia asio évacuation rano tsara, mbola azonao anaovana zaridaina aza eny ambony tafo raha tianao.

Amin'ny manaraka isika manao ny kajy ohatrinona ny vola mety ho lany, fa ireo aloha efa azo tombanana sahady ny mety ilaina raha hanao trano 10m x 5m.

Mirary soa e.
Patrick

Io ny rohy tsiahy ny fikajina ny dosage béton.

https://www.facebook.com/patrick.raharimanana/posts/10218334792981970

Address

Toamasina
501

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

034 16 505 70

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Distributeur Exclusif Ciment FOSA Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share